Edito

Aza dedaka e !


  • Talata 28 Jona 2016

Tokony handinika lalina tsara aloha ny mpitondra Malagasy mialoha ny hampiantranoana fivoriana iraisam-pirenena eto fa raha ireny zava-nitranga teny Mahamasina ireny dia mampiahiahy ny fitandroana ny filaminana.


 Tsy resaka fanakianana be fahatany na tsy fitiavana ny hisian’ny fivorian’ny Comesa sy ny OIF eto fa zava-doza ary tena hanaratsy endrika tanteraka an’i Madagasikara raha sanatria misy tandrevaka ny resaka filaminana sy harofenitra mandritra ireo fihaonan-dehibe iraisam-pirenena roa ireo. Efa hita mantsy izao fa misy zavatra tsy milamina eto, misy olona te hanakorontana. Sahirana ny mpitandro ny filaminana ary tsy vonona tsara hiantoka 100% ny filaminana amina hetsika goavana tahaka ny teny Mahamasina. Tsy misy azo ialana anefa ny zavatra tahaka ireny fa vao maraina mandrapahatapitry ny lanonana no tokony ho hentitra ny fitandroana ny filaminana. Matoa nisy olona afaka niditra tao anaty kianja, nanakaiky ny lapihazo ka nanapoaka grenady dia nisy tandrevaka be ny fiambenana izany, mazava tsy mila adihevitra be intsony io. Ka izany ve no hampiantrano filoham-panjakana efa ho 80 ao anatin’ny 3 andro raha tena raikitra eto marina ny fihaonana an-tampon’ny Frankôfônia ? Ny resaka dahalo tsy mbola milamina, ny fakana an-keriny tsy hita izay tena marina, ny fiambenana sy fiarovana tsy voafehy, sao lahy hanalabaraka a ! Mba diniho tsara ihany fa aza dedaka e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT