Tsy mora anefa ny asa satria efa zatra gaboraraka sy ny mandeha ho azy loatra ny teto Antananarivo
. Na dia nisy aza ny fifandaminana dia mbola misy ihany ireo mpiasan’ny CUA atao hoe ECD no mbola manangam-bovona. Mety tsy mazava tsara angamba ny dikan’ilay fanafohizan-teny hoe ECD (employé de courte durée). Mpiasa miasa amina fotoana fohy sy voafetra raha adika amin’ny teny Malagasy tsotsotra. Tsy ao amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ihany no misy an’io fa amina sampandraharaham-panjakana maro sy eny amin’ny orinasa amin’ny sehatra tsy miankina. Ny dikan’io dia hoe mitady mpiasa hanao asa voafaritra mazava ao anatina vanim-potoana voafetra ny mpampiasa, ka rehefa tapitra io fotoana io dia miala ao amin’ilay orinasa izany ilay mpiasa. Raha misy ny fifanarahana dia azo havaozina indray mandeha ny maha ECD azy fa kosa tsy hoe havaozina mandrakizay. Misy ny sata hafa indray ho an’ny CDI (contrat à durée indéterminée), izany hoe tsy voafetran’ny fotoana ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ilay mpiasa sy mpampiasa. Tsy ara-dalàna ary tena sampona noho izany ny hoe misy mpiasa ECD nandritra ny 3 taona na 5 taona. Tsy mitombina araka ny lalàna mifehy ny asa izany ary fahadisoan’ny mpitantana teo aloha izay nanaiky azy. Ny mampanahy dia ny mety ho fisiana vondron’olona mamadika ho politika ity olana misy ao amin’ny CUA ity mba hanosoram-potaka ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana sy hanaovana izay hankahalan’ny olona azy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.