Aza avadika

faharavana ny fanantenana !


  • Alakamisy 04 Desambra 2025

Ny tantaran’i Afrika dia manambara mazava

fa mbola marefo ny rafitra politika sy ny fitantanana amin’ny ankapobeny. Maro ireo firenena izay tsy nahavita nandray ny lalana mankany amin’ny demokrasia tena izy, fa nisafidy ny fibodoana fahefana sy ny fitondrana maharitra tsy misy fifandimbiasam-pahefana, kanefa ny Firenena miha milentika. Fahantrana lalina, tsy fahampian’ny asa, ary ady anatiny tsy mitsahatra no betsaka. Any Ginea sy Mali, ohatra, ny fanonganam-panjakana vao haingana dia naneho indray fa mbola tsy matotra ny rafitra politika. Any Zimbabwe, ny fitondrana maharitra sy ny tsy fahavitan’ny fanavaozana ara-toekarena dia nitarika fahantrana lalina sy fikorontanan’ny fiainam-bahoaka. Na izany aza, misy firenena vitsivitsy nahavita nandresy ireo sakana sy naneho fa azo atao ny fanarenana sy ny fandrosoana. I Rwanda, ohatra, taorian’ny krizy sy ny ady an-trano, dia nahavita nanangana rafitra fitantanana hentitra sy nanamafy ny fanavaozana ara-toekarena. Afrika Atsimo, nahavita nametraka lamina ara-piarahamonina sy lamina politika, anaty fifandimbiasam-pahefana demokratika taorian’ny apartheid na ny fifanavakavaham-bolokiditra nahery vaika, kanefa isan’ireo Firenena mandrafitra ny G20 na ireo Firenena roapolo voalohany matanjaka indrindra. Ho an’i Madagasikara, tsy nitsahatra nilentika tao anatin’ny 20 taona latsaka kely, nangotraka ny politikan’ny fambaboana Fanjakana na « capture d’Etat » ka zary vondron’olona mpandroba sy mpanao tantely afa-drakotra ny Firenena no nambabo sy nampiasa ny fahefana sy ny hery rehetra hoenti-mampiodina ny ambaindahin’ny harena sy ny fananany. Dia io ohatra velona io ny raharaha ara-pitsarana goavana atsy amin’ny Nosy rahavavy sy iraisam-pirenena. Noheverin’ireo mpitondra teo aloha tsy mba nahalala onina fa mandrakizay io seza sy fahefana io, kinanjo nitsimbadika tao anatin’ny indray mipi-maso,… Raha hazo, dia vao ny vatabeny no voakapa sy lavo fa ny fakan’ny rafitra sy fahantrana napetrany ahiana mbola hitsiry, raha tsy fongorina tanteraka. Mila hararaotina ny fotoana, tena mila fanavaozana ara-politika, toekarena, sosialy,… fa sao sanatria sarintsarim-panovana ka ny teo ihany no miverina. Raha tsy hay ny manararaotra izao dingana lehibe izao, dia mbola hihamafy ny fahantrana sy ny fahalovana. Fa raha ampiasaina amin’ny fomba hendry sy maharitra, dia mety ho fiandohan’ny fanarenana sy fanantenana vaovao ho an’i Madagasikara sy ny vahoaka malagasy. Ny lesona avy amin’i Rwanda sy Afrika Atsimo dia manaporofo fa azo atao ny fanarenana raha misy finiavana sy fitiavan-tanindrazana, misy fitondrana matotra sy rafitra politika miorina amin’ny fahamarinana sy ny fahavononana hanompo ny vahoaka. Madagasikara ankehitriny eo am-bavahadin’ny fanantenana ka aoka tsy havadika faharavana sanatria !
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT