Edito

Aza atao bontolo !


  • Sabotsy 16 Mey 2020

Any amin’ny fitondram-panjakana ny baolina amin’ny fanapahan-kevitra horaisina momba ny ho avin’ny firenena.

 

 

 

Mila fandanjalanjana lehibe ary mason-tsivana maro no mila jerena. Hitohy ny hamehana sa tsia? Hohamafisina ny fihibohana sa hohalefahana? Raha dinihina amin’ny fiakaran’ny tranga amin’izao fotoana izao, dia mazava fa hizotra amin’ny fanohizana na fanamafisana mihitsy ny fepetra aza isika. Ny seraseraseram-panjakana toa maneho fa milamina ny zava-drehetra satria efa sady afaka misoroka isika no efa mahatsabo noho ny fahitana ilay tambavy miteraka adihevitra. Tsy vitan’ny serasera intsony ity, tsy vitan’ny fampanantenana, fa tena mila vahaolana mivaingana azo tsapain-tànana. Mikatso sy voageja ny sehatr’asa samihafa amin’izao fotoana izao, potika ny toekarena, ary tsy voafehy ny olana ara-tsosialy,… Tsy vitan’ny fangejana fotsiny io dia milamina fa inona no vahaolana hoentin’ny fanjakana? Aiza ny vahaolana tena azo tsapain-tànana miantraika amin’ny mpiasa, ny mpandraharaha izay tena miaina anaty fahoriana? Ilaina ny fametrahana ny fepetra saingy ao anatin’ny fandinihana lalina, ho toy ny tery omby ririnina, ka hatao izay tsy hahabotrabotra ny zanany sy tsy hahafaty ny reniny. Ampy kosa angamba izay ny zavatra bontolo toa fampijaliana vahoaka, kanefa toa mandeha ihany ny baranahiny sy ny aboraraka eny antsefantsefany eny, toy ny fanangonam-bahoaka ataon’ny mpitondra. Ilaina ny fepetra fisorohana, saingy mila jerena ny hanohanan’ny vahoaka sao hitroatra. Ampahatsiahivina hatrany fa nisy volabe natokana hanavotana ny toekarena sy ny sosialy, saingy tsy ampy 5% amin’ny Malagasy no voatsinjo. Mila manampy ny vahoaka ny mpitondra fa tsy hamoritra sy hangeja ho marika fa manana ny fahefana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT