Edito

Aza asiana tombo sy hala e !


  • Alatsinainy 10 Aprily 2017

Mafampana ny raharaha kolikoly avo lenta mahasaringotra ilay vehivavy mpanolotsain’ny filoha.

Samy mitodika any sain’ny vahoaka ary maniry ny tena hampiharana ny lalàna fa tsy sanatria ka hipoitra indray ny hevi-petsy hamotsorana ny trondro vaventy efa tra-tehaka toy izao. Dia samy miandry ny rehetra hoe inona no hipoitra ? Efa re iny ny fanambaran’ny Bianco fa tsy hanaiky lembenana ary hijoro hatramin’ny farany, ary efa navoakany mihitsy ny ampahany tamin’ny dosie maloto. Efa nanamafy ny azy ihany koa ny fitsarana fa hijery akaiky ny raharaha, ka hampihatra an-tsakany sy an-davany ny lalàna. Samy fampanantenana ny vahoaka avokoa izany fa hijoro amin’ny ara-drariny sy hitana ny teny nomeny avokoa ireo sampa-draharaha voakasik’ity raharaha henjana ity. Ankilany kosa, dia mijoro sy mitady hirika fatratra hanafahana ity vehivavy malaza ratsy ity ny ankolafy misy azy, izay mbola tompon’ny fahefana sy ny hery aloha hatreto. Efa mandeha ny tsindry isan-karazany, saingy tsy te hahalala izany maro fa aleo hihatra ny lalàna, ka tsy ny mpangalatra akoho, mpampianatra nikasi-tanàna mpianatra sy ireo nanao heloka madinika ihany no higadra. Dia manantena izany ny rehetra fa tsy handaitra intsony ny mikimaky amin’ity raharaha ity. Aleo samy hibaby ny helony ny rehetra mba hisian’ny fifampitokisana e !

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT