Edito

Avoahy ny marina !


  • Zoma 21 Oktobra 2016

Tsy hay intsony izay marina sy diso fa indraindray ara-dalàna, avy eo indray tsy ara-dalàna. Milaza indray ny minisitry ny tontolo iainana sy ny haivoary,

Ndahimananjara Johanitah ankehitriny fa tsy ara-dalàna ilay boaderozy tratra tany Singapour kanefa ny fanjakana Malagasy mihitsy no efa nilaza fa ara-dalàna izany ary ny filoha mihitsy no efa ninia nangina. Manohitra ny lehibeny sa tonga saina Rtoa minisitra ka nivonona hamoha ny tena marina momba io raharaha io ? Ho sahiny ve ny hanohitra ny lehibeny ka hampifoha ny raharaha efa niniana nampatoriana ? Fanontaniana mbola saro-baliana izany fa ny azo ambara aloha dia nahatsapa ny Malagasy fa niray tsikombakomba tamin’ny fanondranana ireo harem-pirenena ireo ny fitondrana matoa ninia nampangina ny raharaha. Mifamahofaho ny resaka taorian’ny fanambaran-dRtoa minisitra. Hanadio tena indray ve ka haka ny fon’ny Malagasy amin’ny filazana fa tsy mipetra-potsiny amin’ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena ? Sa kosa lany ny paiso an-kady ka mitady ketrika mba hahazoana ireto hazo ireto havadika vola noho ny sinoa izay voalaza fa tsy mipotsaka intsony ? Ny mety hitranga ihany koa dia na voatsoka Rtoa minisitra na mipoaka ny afera. Avoahy ny marina dia aleo mifampitady eto fa leo ny vahoaka e !

Toky R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT