Tsy fantatra intsony ankehitriny izay tena hanaovana ireo hazo sarobidy (boaderozy) nogiazana. Hamidy ve ? Hodorana ve sa atao inona ?
Mihitsoka tanteraka ny toe-draharaha ary sahirana mamaly ireo fanakianana maro be miantefa aminy isan’andro ny minisiteran’ny tontolo iainana sy ny ala, sy ny fitondram-panjakana amin’ny ankapobeny mihitsy. Diso famindra hatrany am-boalohany izao fitondran’i Hery Rajaonarimampianina izao. Diso be vava loatra raha nilaza fa ho hentitra ny ady atao amin’ny trafikana boaderozy. Kabary fotsiny kay ilay izy fa tsy nisy asa tena matotra natao, hany ka mbola nisy ihany ny boaderozy efa ho 50 kaontenera mahery tafaporitsaka, any afrika sy any Azia vao hita. Fa nahoana ary no tsy nahatsikaritra izany mihitsy ny mpitandro filaminana eto Madagasikara kanefa hentitra anie ilay fanambaran’ny filoham-pirenena e ? Manomboka mivoaka ny resaka ankehitriny fa misy manampahefana ao anatin’izao fitondrana izao tafiditra amin’ny aferana boaderozy, tahaka ny efa nitranga tamin’ny tetezamita ihany. Tena ho sahy hamoaka ny marina ve ny mpanao fanadihadiana sa dia hosarontsaronana indray ny raharaha ? Efa fantatra fa olona matanjaka, manam-bola, manana fahefana, manana mpiara-miasa matanjaka any ivelany no sahy miditra amin’ity afera ity fa tsy olon-tsotra. Koa raha tena sahy ny filoha Rajaonarimampianina dia tsy misalasala manome baiko ny mpitandro filaminana hamoaka ny anaran’ireo olona ireo, hampiakatra ny raharaha eny amin’ny fitsarana faran’izay haingana ary hamoaka ny didy fampisamborana. Efa fantatra daholo ny ankamaroan’ireo “deba be” amin’ity resaka ity ka raha tena vonona hiady amin’ny fandripahana ny harem-pirenena marina izao fitondrana izao dia tsy tokony hisalasala hanambara ny marina, ary zon’ny Malagasy tanteraka ny mahafantatra izay mameno paosy amin’ny alalan’ny fandripahana ny harem-pirenena sy ny fanaraoratam-pahefana eto, fa tsy ny olona efa sesitany nandritra ny 6 taona no ambara hatrany fa fototry ny olana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.