Edito

Avo lenta


  • Zoma 13 Septambra 2019

Maro no gaga, teo ny sanganehana, nisy no nalahelo, sosotra sy diso fanantenana omaly raha nahafantatra ny kandida natolotry ny antoko politika 2 sokajiana fa matanjaka indrindra eto Madagasikara amin’izao fotoana.

 

 

 Olona tsy dia hita sy fandre firy eo amin’ny tontolo politika ary tsy anisan’ireo mafana fo na koa ambara fa mpitolona any amin’ny antokony na ny kandidan’ny TIM na ny an’ny IRD. Misy antony mazava tsara anefa matoa izy ireo no natolotra. Tsy an-tery fa tena tao anatin’ny fifampiresahana sy fandinihana lalina no nanapahan-kevitra raha ny vaovao re omaly. Efa tafapetraka ny antontan-taratasy, dia efa izay izany tsy misy adihevitra be intsony fa ny fiatrehana ny propagandy izao no tokony hifantohan’ny saina indray. Efa hatrany amin’ny taona 2007  no mpifanandrina politika ny antokon’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina, fifidianana ben’ny tanàna no nitranga tamin’izany. Efa nifanandrina in-droa miantoana tamina fifidianana filoham-pirenena  ary 12 taona aty aoriana dia mbola ireo. Misy no miteny f’angaha tsy misy olona hafa sy antoko hafa mihitsy no dia ireo foana e ? Tsy misy aloha matoa ireo mbola eo… ry zareo ihany koa no efa manana rafitr’antoko mahasahana ny firenena iray manontolo. Maro no mbola manantena fa ho vita ny hampandroso ny tanàna ka tena hiasa tokoa ireo teknisianina fa tsy ho lasa mpanao politika avo lenta. Tsy maintsy misy foana anefa ny politika avo lenta sy ny vina lavitra satria izay no maha politika ny politika ary tanjon’ny antoko politika ny ho tonga eo amin’ny fitantanana ny fireneny mba hanatanterahany ny fandaharanasa heveriny fa hampandroso ny firenena. Tsy voatery ho fantatry ny olom-pirenena ny antony ary na fantany aza mety tsy ho takatry ny sainy. Andrasana kosa anefa ny fandaminana ny tanàna, ny fanatsarana ny fiainan’ny mponina ao aminy, ny fisongadinan’ny asa mivaingana fa tsy hifanilika andraikitra lava. Tsy maninona raha mandeha ny politika avo lenta fa mba asio fampandrosoana avo lenta ihany koa e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT