Edito

Avia avia izay namako !


  • Talata 02 Martsa 2010

Totoafo ny dokambarotra miantso ny hery velona rehetra handray anjara amin’ny atrikasa teny ifampierana hatao eny amin’ny Centre de Conférence International Ivato ny alakamisy sy zoma ho avy izao.

 

Zava-dehibe io, hoy ny sasany ; tsy mbola nisy teto amin’ny firenena ity, hoy indray ny hafa manao izay hisarihana sy handresena lahatra ireo izay misalasala. Arakaraka ny anaovana ambentin-dresaka azy ity anefa no mampitombo ny fisalasalan’ny olona. Dia manao tamberina, fa raha nisy zavatra nihazakazahan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita raha vao vita ny “fanamasinana” teo amin’ny kianjaben’i Mahamasina ny sabotsy 21 martsa 2009, dia ny nandrava ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimierandoholona izay rafitra nisy solontenam-bahoaka nomeny fahefana hanao teny miera amin’ny mpanatanteraka.
Ary raha nifanarahana fa hajoro ny Kaongresin’ny tetezamita sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, hasolo ireo Antenimiera roa ireo, dia nitsivalana ny ankolafy Rajoelina, fa ny azy ihany no ampanjakaina. Ankehitriny dia miantso, mitanisa fisokafana ny mpitarika nefa ny mpomba avy etsy ambadika milaza fa tsy ilaina ny ankolafy telo, mety aza ny tsy handraisan’izy ireo anjara. Dia tonga amin’ny irian’izy ireo fa ho raharahan’ny mpianakavy ihany izy ity. Koa raha miantso i Andry Rajoelina, dia tokana ny tononkirany : avia avia izay namako !
 

Jean D

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT