Edito

Averina fa tsy arenina


  • Alatsinainy 15 Martsa 2021

Tonga indray ity ny fisasahan’ny volana martsa. Herintaona latsaka 4 andro teo izay no nanambaran’ny filoham-pirenena

 

 

 voalohany teto amin’ity tanin’ny repoblikan’i Madagasikara ity fa tafiditra eto amintsika ny valanaretina Coronavirus. 4 volana na 5 volana nialoha izany no efa nifandimbiasan’ny olom-pirenena, mpanakanto, mpanao politika sy karazan’olona maro ny antsoavo hoe hidio ny sisintany. Setriny tsaroana nalaza indrindra tamin’izay moa ny hoe tsy mafy noho ny pesta sy Cholera io. Herintaona taty aoriana dia niaraha-nahita, vao tapa-bolana lasa izay, ny olona niteny an’izany fa niara-nilanonana tamin’ireo olona anaty sehatra eo ambany fiahiany ary niara-tsy nanaja fepetra taminy tao. Mbola ampiharina amin’ny fotoana maha metimety  ny mpitondra hatrany ve izany ny fepetra? Hatreto moa tsy misy ny didy manambara fa miverina anaty ahamehana isika ary hirariana tokoa aloha ny tsy hiverenana amin’izany intsony, indrindra, ny hoe fihibohana saingy rehefa tsy hampanaja ny fepetra, araka ny tokony ho izy ihany ny fitondram-panjakana, maninona raha avela “hiaina tsotra” tokoa araka ilay fomba fiteny malaza tamin’izany amin’izay ary ny eto dia ny toromarika sy fanentanana mikasika ny fanampiana ny hery fiarovana sy ny fidiovana “manara-penitra” no tena imasoana? Betsaka rahateo ireo mpitsabo no efa resy lahatra fa misy ny fomba hafa azo hiadiana amin’ity aretina ity ankoatran’izay fiverenana mihiboka izay. Mbola hamerina ny hadisoana tamin’ny tsy fihainoana ny hafa nampaneno lakolosy ny amin’ny tokony hanidiana sisintany ihany ve ny mpitondra sa mba hihaino ny sosokevitra ivelan’ny rindrina efatry ny lapa amin’izay? Mbola ho averina fa tsy arenina ihany ve ireo tsy nety teo aloha ?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT