Avela hiaraka haniry

Avelao hiaraka haniry ny vary


  • Alatsinainy 22 Desambra 2025

sy ny tsiparifary, hoy ny teny soratra masina

ao amin’ny Baiboly Kristianina izay. Miara-jinjaina izany rehefa vokatra ka ny vokatra fihinana atao any an-tsopitra raha toa ka odorana kosa ireo tsiparifary. Neverina hatramin’izay fa sarotra tokoa io manavaka vary amin’ny tsiparifary anaty vao nafafy io. Raha oharina amin’ny fiainam-pirenena ankehitriny izany dia andeha atao hoe mamafy fanovàna isika malagasy amin’izao fotoana izao. Tsy ny fitondràm-panjakàna malagasy amin’izao fotoana izao no tiana lazaina eto fa isika vahoaka malagasy, ilay olompirenena isanisany mihitsy. Isan’ireo voa nafafy ny fotodrafitr’olona toa an’izy 5 mirahalahy mitarika ny fiadidiana ny fanavaozana. Vary ve izy ireo sa tsiparifary? Andeha ny fotoana dia ho hitantsika miandalana eo amin’ny alalan’ny vokatry ny asany any am-parany any. Toy izany koa ireo tomponandraiki-panjakàna hafa rehetra ao. Mety maro tokoa ireo heverina hoe forongon’ilay fitondràna teo aloha izay nolazaina fa namotika ny firenena nandritry ny 16 taona saingy misy fanontaniana mipetraka heverina ho tokony heritreretina lalina koa nefa eo anelanelan’izay hoe mijery ilay olona isika mijery azy ireny sa mijery ny nataon’ilay olona sy ny mbola ataony amin’izao fotoana izao? Raha tsy maintsy hitsara ihany, iza no azo itokiana kokoa, ireo milaza azy hatramin’izao ho mbola tsy niala tamin’ilay loko notsipahan’ny maro an’isa tao anatin’iny tolona farany teo iny nefa miezaka mampiseho fa manao ny andraikitra nametrahana azy sahy ireo sakaizan’ny mpandresy mivadibadika palitao lava, omaly Arema, ny ampitson’iny lasa TIM, ny afak’ampitson’iny lasa TGV, avy eo lasa HVM, avy eo indray niverina TGV na IRMAR, ny ampitso koa dia mbola toy izay hatrany? Olona tsy manana fotokevitra ijoroana, tsy manana etika, tsy manana fahitsiana nefa dia mitondra ny sata maha mpanao politika na hoe mpanao izay hanasoavana ny firenena sy olompirenena, izany izao no mbola mameno an’ity firenena ity ary tsy miafina fa vavolombelon’ireo nataony ny rakipeo sy rakitsary samihafa. Vavolombelon’ny nataony ny tantara ka dia izay tokoa angamba no manamarina ilay voalaza hoe avela hiaraka haniry aloha ny tsiparifary sy ny vary!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT