Edito

Avaho tsara ny vary sy ny tsiparifary


  • Alarobia 03 Oktobra 2018

Miroso mankany amin’ny fifidianana isika ! Mangetaheta fahefana mafy ny ankamaroan’ny mpanao politika, fa mangetaheta fihatsaram-piainana kosa Ramalagasy, izay efa leo kobaka am-bava.

 

 Efa ym-betsaka no voafitaka tamin’ny endriny maro, saingy afaka ho aiza moa ny valalabemandry e ! Toa zary fandemena azy io hoe: “afaka ny ho aiza io”, fa fotoan-dehibe anefa ity hanehoany ny heriny, hampisehoany fa ilaina ihany kay izy, eny any aminy ny fanalahidy, saingy tsy tena tsapany. Heverina fa hahatonga saina azy sy hahatsapany fa tompon’ny ampitso izy ny fanampatambazana azy satria mirarakopana ery ny teny fambaboana ny vahoaka na an-tsaha na an-tanàna. Ny kandida sasany aza moa tsy nahandry ny andro zoma hahafahana miroso amin’ny propagandy fa dia nikofoka mafy ery namory olona tamin’ny alalan’ny fitondrana artista hambaboana ny olona tamina faritra maro manerana ny Nosy. Mafy tokoa ny te ho filoha sy hahazo seza tahaka ilay raikalahy tsy nahandry ny andro zoma tamin’ny taona 2009, ka dia nihazakazaka nanongam-panjakana. Azo antoka fa hahay hanavaka ny vary sy ny tsiparifary amin’izay ny vahoaka fa tsy ho jamban’ny seho ivelany na fividianana azy mihitsy. Tsy manilika ny hafa raha hilaza fa tsara toerana ireo efa nitondra teo aloha, izay tao ny naongana, tao ny nanongana,… izay hotsarain’ny vahoaka eo. Ny hirariana dia handeha amin’ny mangarahara tokoa ity fifidianana ity, ka hotsarain’ny karatra eo ny tsirairay. Ekena fa tsy ho feno 100% ny fepetra ary tsy hahafa-po 100% ny kandida, saingy misy kosa toe-javatra mila hahitsy amin’ity fanatanterahana ny fifidianana ity na eo aza ny finiavan’ny kandida hanaiky izay lamina eo e ! Ny atsy aoriana no ahiana ho tsy ho tanty ny hafitsony rehefa domelin’ny fahalaniam-bola, kanefa nahatsapa tsy fangaraharana na fitanilana, dia ho raikitra eo ny rombo.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT