Hatramin’izay dia nohamavoina hatrany ny zavatra vitan’ny Malagasy, saingy afaka maneho isika ankehitriny, fa tena mahavita azy sy afaka mametraka ny anarana eo anatrehan’izao tontolo izao.
Tsy hoe rehefa vita Malagasy akory dia ratsy satria nozanahana ara-tsaina isika hitia ny an'ny hafa mialohan'ny antsika. Porofon’izany ny fisian’ny Ivon-toeram-pikarohana IMRA naorin’ny Profesora Rakoto Ratsimamanga, izay sokajiana ho Malagasy manana fahalalana tsy manam-paharoa na “savant”. Na ny vahiny aza niaiky ny fahaiza-manaony, saingy ny namingana sy namotika ary namono azy no natao tamin’ny fotoan’androny. Ankehitriny, afaka mbola mioty ny ezaka sy finiavana nimatimatesany isika. Lesona lehibe azo tsoahina ao anatin’izao ny hoe: mba afaka mametraka ny anarany ny Malagasy ary fanohitra lehibe hahafahantsika manome lanja ny orinasantsika, ny manam-pahaizana sy avara-pianarana eto amintsika izao. Ahafahantsika mahatsapa tena fa hay isika tsy olonolom-poana eo anatrehan'izao tontolo izao. Tsy tokony hijanona amina lafin-javatra na sehatra iray fa tena ny orinasa Malagasy, ny mpandrahara Malagasy no tohanana sy hatao izay hisandratany. Ny kolontsaina novoizina teto mantsy dia ny fifamotehana, ny fifaminganana, ny fifampialonana, hany ka nifanao toy ny valala an-karona isika. Rehefa orinasa Malagasy no miroboroboro, dia dorana, lazaina fa nangalatra ny tompony, lazaina fa nanao kolikoly,… hany ka ny Malagasy ihany no misitona hidina ny Malagasy tahaka azy fa ny sinoa sy ny karana mitombo ihany ny ambaindahin’ny hareny. Mbola miharihary io foto-pisainana sy fomba fiady ankehitriny, ary hita taratra ao anatin’ny politika. Firifiry moa ny mpandraharaha Malagasy manana ny maha-izy azy mety afaka hanome asa sy hanavotra fianankaviana an’aliny no any am-ponja ankehitriny? Rehefa natomboka ny fanomezan-danja sy fametrahana ny hasin’izany hoe: finiavana tena Malagasy izany dia mila hatsahatra manontolo ny hambo-po diso toerana, ka mba tena hifamelona amin’izay isika fa tsy hifamono lava eto. Avadiho ny pejy maloton’ny politika!
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.