Edito

Atsipy ny teny …


  • Zoma 30 Desambra 2016

Mahagaga ny fihetsiky ny olom-pirenena tsirairay avy manoloana izao fitsaram-bahoaka sy habibiana mitranga eto amin’ny firenena izao.

Mirongatra ny tsy fandriampahalemana satria ny milaza ho manameloka azy ireny aza toa manamaivan-danja ny zava-miseho amin’ny alalan’ny fisokajiana azy ireny ho sangy ihany. Nandeha ny raharaha fandripahana olona tamin’ny alalan’ny tifitra variraraka izay nataon’ny mpampihorohoro tany Beroroha dia mbola nolazaina ihany fa sangy mihoatra ny loha. Habibiana tsy roa aman-tany ihany koa no nitranga tany Ambatoasana, Soavinandriana Itasy, volana vitsy lasa izay, dia efa sangy mihoatra ny loha ihany koa, hoy ilay namory mpanao gazety tamin’izay fotoana izay. Io omaly io dia nisy tovovavy 2 maty niharan’ny habibiana ihany koa teny Ankatso dia mbola misy milaza any amin’ny tambajotran-tserasera hatrany fa sangy mihoatra ny loha ihany koa iny. Efa tsy sangy intsony kosa no iantsoana ireny fa efa habibiana ary tena fihantsian’ireo tsy mataho-tody ny tany ama-monina mihitsy aza mba entina hanehoana fa toy ireny tsy misy lalàna ireny eto amin’izao fotoana izao ary mitohy ny tsy fandriampahalemana. Atsipy ny teny…

Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT