Edito

Atrikasa ihany ! atrikasa hatrany !


  • Alarobia 03 Aogositra 2016

Be ihany izay atrikasa efa notontosaina teto amin’ity firenena ity izay. Raha atao aza angamba ny tombana dia isika mihitsy no tompondaka amin’ny karazan-javatra toy itony.


Ny zava-nisy sy tsikaritra anefa aloha ao anatin’izany rehetra izany dia mbola mitombona foana ny maha fasana tetikasa ny nosintsika. Raha mba efa nampiharina mantsy na dia ny 10 fotsiny aza tamin’ny fehin-kevitra tany anatin’ireny atrikasa hiadiana amin’ny fahantrana e, tsy  fanjarian-tsakafo e, fampandrosoana e, sy ny sisa dia inoana marimarina efa ela no tsy toy izao intsony ity Madagasikara ity. An-tapitrisany maro, an-davitrisany mihitsy aza matetika ny vola atobaka miampy ny fampitaovana omena amin’ireny atrikasa ireny kanefa dia na dia lazaina fa fahombiazana foana aza izy ireny isaky ny vita dia mijanona hatreo amin’iny roa na telo andro iny ihany ilay fahombiazana fa ao ny aorian’izay dia any amin’ny varo tsy mifodina tetikasa no ahitana azy, fasan’atrikasa moa izany rah any marimarina kokoa. Teny atsipy any am-pon’ny mahalala ihany moa izany fa asakasak’izay handray na tsy handray azy. Sao dia ho lany andro lava any anaty resabe anaty atrikasa any foana isika kanefa midororororo lalandava rehefa hiasa. Sa ve mbola hoe “Atrikasa ihany! Atrikasa hatrany e!”

Faralahimatoa   

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT