Andro sisa isaina, dia hifanarana ny fotoana hahafahan’ny isam-batan’olona manara-maso sy manamarina ny anarany na ao anaty lisi-pifidianana na tsia. Ny alarobia izao no ho tapitra tanteraka ny fe-potoana nomena,
ka ho very zo sy tsy afaka ny hifidy amin’ny fifidianana rehetra hizotra eto amin’ny tanin’ny repoblikan’i Madagasikara amin’ity taom-pifidianana ity, izay tsy ao anaty lisitra. Adidy sy andraikitra io, ary iankinan’ny ho avin’ny firenena, saingy indrisy fa maro no tsy mahatsapa na tsy te hahalala izany, eny fa hatramin’ireo heverina ho ampy fahalalana sy tokony ho mpitarika ny rehetra aza. Azo hitarafana ny fandraisan’andraikitry ny Malagasy momba ny ho avin’ny firenena ny zava-misy, ka atao mahagaga ve raha mikorosy fahana sy tsy mety mandroso i Madagasikara. Ny vahoaka aza tsy mahatsapa sy tsy mahalala ny tokony hataony ny ankamaroany, ary tena lalaovin’ny mpanao politika mihitsy. Lany andro mifanebaka sy mifanome tsiny eto isika hoe : ny mpitondra tsy manao ny asany e ! Mangalatra sy manao kolikoly no tena ataaony fa tsy mitsinjo vahoaka e ! Isika olom-pirenena ambara foana fa tompom-pahefana aza tsy mahatsapa ny fahefana lehibe eo am-pelantanantsika hoe isika no afaka manatsimbadika ny tantara amin’ny alalan’ny fifidianana. Inona intsony moa izany no azo hantenaina raha hiraviravy tànana lava tsy handray andraikitra? Fotoana izao hahatongavan’ny tsirairay saina, fotoana hahafaha-manatsimbadika ny tantara, ka Madagasikara afaka ambany vahoan’ny mpitondra andevozin’ny fitiavan-tena sy ny afera maloto no hovantanintsika aorian’ny fifidianana. Tsy nofinofinosina fotsiny anefa izany dia tanteraka, fa mila ny fahatsapan-tena sy fandraisan’andraikitry ny rehetra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.