Edito

Atomboy avy any ambony ny ohatra !


  • Zoma 22 Febroary 2019

Mendri-piderana ny fihetsiky ny fitondram-panjakana, indrindra fa ny filoham-pirenena naneho fa tsy hisy fandeferana na « tolérance zéro » eo anatrehan’ny trangana kolikoly ataon’ny mpiasam-panjakana.

 

 

Tonga dia miala amin’ny toerany avy hatrany izay tratra manao izany. Mendrika tehaka mirefodrefotra ny tahaka izany. Aleo tsiahivina fa ilay foto-pisainana iray maneho, fa ny ohatra dia tokony hiainga avy any ambony hatrany. Rehefa ny mpitondra antsika no manome ohatra tsara ho an’ny vahoaka entiny, dia manaraka sy mankato ny rehetra. Andeha ary hotsiahivina ny zavatra nanamarika ilay filoha sy ny ekipany fony izy nitantana ny firenena. Adinony ve fa tamin’ny 2009, dia 109 ireo nosazian’ny sehatra iraisam-pirenena noho ny fanonganam-panjakana sy fandrombahana fahefana tsy tamin’ny fomba demokratika ? Tsaroany ve fa nihemotra lavitra be ny laharan’i Madagasikara tamin’ny resaka ady amin’ny kolikoly nanomboka ny 2009 ? Mba mitsidika ao an-tsainy sy asiany resaka ve fa izy dia anisan’ny manana dosie maloto momba ny fanondranana harem-pirenena sy ny fanangonan-karena tamin’ny fomba mamohehitra ?  Rehefa izy mianankavy izany no nandika lalàna sy nanao ny tsy fanao dia rariny sy hitsiny ary kosehina ao anatin’ny tantara amin’ny alalan’ny hoe: aleo ny lasa homba ny lasa ? Ankehitriny kosa dia te hanome moraly ny besinimaro fa fatra-panaja ny tany tan-dalàna, saingy tsy adala ny Malagasy ary tsy sanatria mora manadino ka tsy hahalala ny nafitsoka teto. Raha tany tan-dalàna sy resaka demokrasia izany, dia tsy ny filoha ankehitriny mihitsy no handeha hanome lesona sy hanome moraly ny besinimaro, fa mandinika ny nataony izy dia ho tsapany ny zavatra tokony hahitsy. Asa anefa na mety ho tsapany na tsia fa toa efa tara loatra ihany izany. Efa very am-polony taona isika vao tonga saina, ka asa na hampiova zavatra izany na tsia. Ny azo hamehezana azy dia sarotra ny hipetrahan’ny fahefam-panjakana tena izy amin’izao satria na ny fampiharan-dalàna aza mitanila ankehitriny. Raha resaka tany tan-dalàna izany rahateo, dia tokony ho eo ambany fifehezan’ny lalàna ny rehetra, saingy tsongatsongaina ny olona hampiharana ny lalàna sy henjehina ara-pitsarana fa ny ekipa sy akamakama, dia mbola malalaka mandrak’androany amin’ny afera maloto, fa ny tsy mitovy firehana amin’ny tena ihany no hampizakaina ny mafaitra eto. Atomboy avy any ambony ny ohatra e !

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT