Edito

Atomboy amin’ny Gasy ny famonjena e !


  • Alakamisy 07 Mey 2020

Tsy hampandry saina mihitsy ny zava-misy ankehitriny, fa mampitaintaina andro aman’alina. Miakatra hatrany isan’ireo mitondra ny tsimokaretina.

 

 Mbola baraingo sy mampiady hatreto hoe tena mahasoroka sy mahatsabo ny aretina tokoa ve ilay tambavy tena nandanian’ny Filoham-pirenena ron-doha? Io no tena nifantohana sy nanompanana ny serasera manontolo. Novoizina fa mety hamadika tantara hitsabo ny olombelona eto ambonin’ny tany isika. Fanamby tena mahavelom-bolo, saingy sao sanatria ho lasa haingo ambony tsikoko ny antsika Malagasy? Hanavotra sy hitsabo izao tontolo izao, hamonjy ain’olona no ambara fa laharam-pahamehana. Mailaka manolotra fanomezana tambavy ho ana firenena maro. Ezaka lehibe izany, saingy ilay vahoaka Malagasy mba manahoana eo anatrehan’izany? Mahavelona sy manafaka ny fahantrana sy ny fahasahiranany ve ny seraseran’ny mpitondra mifantoka amin’ny doka sy mampitodika ny mason’izao tontolo izao any aminy? Ny mpitondra fanjakana ihany no mahita, fa mety ao anatin’ny telo taona vao tafarina ny fitotonganana ara-toekarena hatrany amin’ny 270 miliara ariary amin’izao fotoana izao. Iza izany no ho tonga aloha amin’ilay hoe isika ho sangany aty Afrika sa isika vao mainka hilentika no fitotonganana ara-toekarena lalina? Ny firenen-drehetra efa manomboka mitodika amin’ny fanarenana ara-toekarena sy sosialy, fa ny an’i Gasikara kosa miroso amin’ny propagandy maneran-tany, ka ny hirariana mba ho làlana hahatafavoaka antsika tokoa izany, fa tsy ho seho ivelany fotsiny...indray.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT