Edito

Atoka-monina ?


  • Alatsinainy 09 Martsa 2015

Miteraka resabe hatramin’ny faran’ny herinandro teo ny fanatobiana ireo traboina eto Antananarivo eny amin’ny labatoaran’ny lalana digue. Anio maraina no voatondro fa hamindrana toerana ireo traboina manodidina ny 24 000 isa. Rehefa natao ny kajy tsotsotra dia velarana 1,8 m² ho an’ny olona iray no


ipetrahan’ireo traboina ireo eny amin’ny labatoara. Ny an’ny olona any am-ponja aza mbola lehibe kokoa noho izany ny toerana iainana. Re amin’ny adihevitry ny olona eny rehetra eny ny hoe :inona no antony nisafidianan’ny fitondram-panjakana ny amin’ny labatoara hanatobiana ireo traboina ? Tsy nisy toeran-kafa malalaka mihitsy ve teto Antananarivo sy ny manodidina nandraisana ireo olona ireo ? F’angaha tsy maintsy ampiarahana amina toerana iray ireo traboina rehetra ? Tsy fitiavana hanakiana velively izany fa fitakiana ny mangarahara, izay nampanantenain’ny filoham-pirenena fony izy vao nandray ny fahefana. Tsy iadian-kevitra mihitsy fa samy sahirana na ny olom-pirenena na ny fitondram-panjakana saingy izay no maha mpitondra ny mpitondra e ! Tsy maintsy mikaroka ary mahita vahaolana foana, fa tsy vahaolana maimaika kosa anefa. Ho an’ny mpitsabo dia mety hanahirana ihany ny zavatra hitranga raha sanatria ka misy valanaretina tahaka ny fivalanana na pesta na kolera mipoitra eny amin’ny toerana hanatobiana ireo traboina, indrindra fa raha tery ny toerana. Haingana dia haingana mantsy ny fiparitahan’ilay valanaretina amin’izay.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT