Edito

Ataovy mazava ny fitsipika e !


  • Sabotsy 04 Jona 2016

“Izay mitambatra vato, izay misaraka fasika !”. Tsy misy ny mahavita tena irery fa tsy maintsy mifampiankina ny zava-drehetra.


 Niantso fifanomezan-tanana sy fanampiana ny filoham-pirenena omaly tany Toamasina, asa aloha raha tena antso madio fo izy io na efa misy ambadika politika indray. Be loatra mantsy ny kajikajy politika eto Madagasikara teo. Fivoriana miafina etsy sy eroa dia samy miketriketrika any daholo, avy eo raikitra ny fisavana trano sy famoahana didy fampisamborana ka lasa sarotra ny manavaka  ny antso vonjy tena izy amin’ny vela-pandrika. Efa tamin’ny 16 septambra 2011 no voasonia ny tondrozotra, fa 2016 isika izao tsy mbola vita ny nampihatra azy io, hany ka tsy nety niravona ny disadisa fa mbola mifampiahiahy foana. Atoa Hery Rajaonarimampianina anefa nilokaloka fa handray an-tanana ny fampihavanana vantany vao voafidy ho filoham-pirenena izy. Tahaka izany koa ny hoe hiady amin’ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena. Nilaza koa izy fa hovahana ao anatin’ny telo ka hatramin’ny enim-bolana ny delestazy, saingy vao miha aza nikorontana ny firenena. Ankoatra ny jiro tapaka dia rano maloto koa no mivoaka amin’ny paompin’ny Jirama. Mitombo harena ny manampahefana, hifaninanan’izy ireo ny fividianana fiaramanidina. Tena miteny ny vola eto ka ny mainty lasa fotsy. Na ny olon-tsotra na ny ray aman-dreny ara-panahy tahaka ny FFKM na ireo mpamatsy vola dia samy mahita fa manjaka eto ny kolikoly ary ratsy tantana ny firenena. Ilaina tokoa ny fiaraha-miasa fa mila madio ny lalao ary tsy maintsy faizina ireo nanao ratsy ka nanararaotra ny fahefany hangoronan-karena sy hampiesonana ny vahoaka e !

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT