Edito

Ataovy mangarahara tsara e !


  • Alakamisy 20 Oktobra 2011

Tsy dia nampiraika ny olona loatra ny momba ny tahiry vola vahiny ao amin’ny Banky foiben’i Madagasikara satria tsy dia firesaka firy hatramin’izay.

 Tato anatin’ny 3 taona koa moa dia ny politika no mibahan-toerana amin’ny fampahalalam-baovao isan-karazany isan’andro. Nanaitra ny sain’ny mpitondra sy ny vahoaka ary afak’omaly Atoa Ralison Roger, mpahay toekarena, mpampianatra mpikaroka eny amin’ny oniversite no sady mpikambana ao amin’ny CST. Nambarany fa tokony hohazavaina tsara ny fomba fampiasana ireo tahiry vola vahiny ao amin’ny Banky foiben’i Madagasikara. Mila ambara ho fanta-bahoaka ihany koa ny niavian’ny volabe ao. Raha ny marina, manodidina ny 1 miliara dolara eo ho eo ny tahirina vola vahiny ao amin’ny Banky foiben’i Madagasikara. Raha dinihina amin’io tarehimarika io dia tena manam-bola be isika ary tsy tokony hahantra mihitsy ny vahoaka Malagasy. Misy kipitsopitsony sy fomba maro be anefa ny hamoahana sy hampiasana io vola io, fa tsy hoe zaraina isam-bolana amin’ny vahoaka izany.

Eo no mahatonga ny adihevitra, tsy izao ihany fa hatramin’ny fitondrana teo aloha, hoe raha misy ny vola dia karakarao hanasoavana ny vahoaka. Na ny mpanao politika sasany aza dia efa nilaza mihitsy hoe ataovy zara mitovy isaky ny Kaominina izay manana tetikasa matotra io volabe io, fa aza tehirizina ao Antaninarenina ao fotsiny. Tsara ho fantatra aloha fa ny hetra naloan’ireo orinasa vahiny goavana mitrandraka harena ankibon’ny tany toy ny Sherrit any Ambatovy sy ny QMM any Tolagnaro miampy ireo izay mitrandraka solika nanomboka tamin’ny 2004 no tena nampitombo ny tahiry vola vahiny teto amintsika. Manampy ireo ny vola azon’ny fanjakana tamin’ny fanondranana entana isan-karazany tahaka ny lavanila sy ny jirofo, ohatra. Tsara ho fantatra ihany koa fa io tahiry vola vahiny ao amin’ny Banky foibe io no antoka mampifandanja ny vola malagasy amin’ny vola vahiny.

Tsy hiditra amin’ny fanazavana teknika lava be isika fa ny tsara hotadidiana fotsiny dia ny hoe misy fenitra tsy maintsy arahan’ny firenena iray amin’ny fananana vola vahiny ao amin’ny banky foibeny mba hahafahany mifanakalo ara-bola, na ara-barotra amin’izay miara-miasa aminy tsy tapaka. Tsy azo atao mihitsy, araka izany, ny hoe : andao aloha ampiasaina daholo ny tahiry ao amin’ny Banky foibe satria sahirana ny firenena dia ividiano vary sy menaka ary hanampiana ny mpianatra sy hampitomboana ny karaman’ny mpiasam-panjakana sy ny mpiasa amin’ny sehatra tsy miankina. Hampikorontana tanteraka ny fitantanam-bolam-panjakana sy toekarena amin’ny ankapobeny izany ary hiteraka krizy tena ratsy lavitra noho ny misy amin’izao fotoana. Ilaina anefa ny mangarahara amin’ny fampiasana ny vola tahiry ao amin’ny Banky foiben’i Madagasikara, na ariary io na vola vahiny. Be ihany mantsy ny siosion-dresaka momba azy io.

Efa tonga kosa angamba ny fotoana hanehoana ny mangarahara mba hialana amin’ny ahiahy tsy hihavanana. Mbola miraikitra ao an-tsain’ny olona ihany koa fa isaky ny misy olana ara-politika, na krizy dia misy maka ambongadiny mihitsy ny volam-panjakana sy volam-bahoaka, dia mangingina ny raharaha avy eo ary tsy fantatra mihitsy izay tena marina. Mahalasa saina ny olon-tsotra tokoa ny mahita ireo manampahefana sasany ao anatin’ny tetezamita manana fiara an-jatony tapitrisa ariary sy „villa“ lehibe maromaro, ary mbola afaka miala sasatra sy mitsabo tena any ivelany. Azo an-tsaina ihany anefa ny karama raisin’izy ireo isam-bolana amin’ny maha mpiasam-panjakana ambony azy. Ary na mpandraharaha hafa aza izy ireo, sarotra ihany ny hino fa ao anatina krizy tahaka izao dia misy olona nahangona vola 600 000 tapitrisa ariary tao anatin’ny herintaona sy tapany ! Koa aleo atao mangarahara tsara ny zava-misy e !
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT