Edito

Ataovy mahitsy toraka e !


  • Zoma 12 Mey 2023

Mazava tsara ny resaky ny avy amin’ny sehatra tsy miankina.Tsy vita ny mametraka ilay 250 000 Ar ho karama farany ambany,

ny amin’ity taona ity aloha io fa amin’ny herintaona mety ho tafavoaka ihany,hoy izy ireo. Tena nisy ny fihaonana tamin’ny filohan’ny repoblika, niresahana io resaka karama ho an’ny mpiasan’ny sehatra tsy miankina io saingy tsy dia nisy vahaolana hita satria tsy manam-bola hanetsenana ny banga ihany koa ny fanjakana.Samy sahirana izany , na ny fanjakana na ny sehatra tsy miankina, na ny mpampiasa, na ny mpiasa. Tsy atao mahamenatra na hamoronan-dainga ny fahasahiranana sy ny fahantrana fa tonga dia hita mibaribary. Na dia io olana isan’andro amin’ny jirama io aza dia efa azo hanaporofoana ny halalin’ny krizy misy eto. Ny fanontaniana mietra dia ny hoe : hahita vahaolana ihany ve ny Malagasy sa hiaina tahaka izao maharitra ? Rehefa mihano ny adihevitra politika etsy sy eroa dia indraindray resabe no tena misy, tsy tena hita taratra ilay fahavononana sy faharesen-dahatra hiasa ; hifanome tanana, hifanohana mba handresena ny fahavalo iombonana dia rafahantrana izany. Any anaty fanasongadinan-tena no maha maika ny sasany, misy koa ireo tsy te hiasa saina firy fa dia miroso, miroso ihany na dia efa fantatra aza fa hidona amin’ny rindrina atsy aloha atsy.Misy koa ireo misafidy ny ho mpijery aloha fa tsy hilalao.Be loatra ny ahiahy, tsy mety tafapetraka ilay fitoniana. Tsy maintsy manapa-kevitra anefa na ho ela na ho haingana, ka tsy aleo ve atrehana tsara dia vahana ny olana toa izay hifandaingalainga sy hifampanonofy eto fotsiny e. Mbola misy azo atao tsara io, rehefa tena hanao azy marina.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT