Edito

Ataovy lalao madio amin’izay !


  • Zoma 06 Janoary 2017

Atomotra ny fotoana hiatrehana ny fifidianana filoham-pirenena na dia efa re aza fa misy ny kajikajy hanemorana izany. Samy manana ny fomba fiadiny sy ny hofiatrehany izany ny mpifaninana tsirairay avy.

Ao ny mihevitra fa handresy amin’ny fomba mora foana noho ny fananana ny fahefana efa eo am-pelantanana ary tsy ho sarotra ny mitazona izany. Ao ireo mihevitra fa na tsy miteny sy tsy maneho hevitra aza fa mbola manana vahoaka hanosika azy. Fa eo kosa ireo izay efa hitam-poko hitam-pirenena fa mamim-bahoaka sy andrandrain’ny rehetra ho vahaolana amin’izao olana mianjady ankehitriny, ka voaporofo fa fisakanana amin’ny fampandrosoana nimasoany no nandrdanana azy fahiny. Samy manana ny kajiny ny mpifaninana tsirairay fa ny iaraha-mahita aloha dia misy ny manana tombon-dahiny, izay toa mihevi-tena ho ambonin’ny ny lalàna ka manao izay danin’ny kibony hampandresy tena amin’ny fomba mamohehitra. Na eo aza izany rehetra izany dia ezahina ny manakona ireo paikady maloto isan-tsokajiny hamotehana ny hafa tsy ho isan’ny mpifaninana. Tsy mba misy ny tena lalao madio fa takonana amin’ny fifanasana amin’ny lanonam-be tanterahina eny an-dapan’Iavoloha anio ny zava-drehetra. Rehefa nisy ihany ny finiavana dia tokony halalinina sy atao madio fa tsy sarintsariny, ka tsy hisy intsony tombo sy hala fa hitovy ny rehetra ary afaka misitraka ny maha Malagasy azy, ka hifaninana malalaka amin’ny fanasoavana an’i Madagasikara!

Toky R.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT