làlam-baovao hitondrana ny Firenena isika,
dia anjaran’ny rehetra no mitondra ny anjara birikiny ao anatin’izany. Raha nitolona sy nitaky ny fanalana ny Fanjakana jadona sy tsy maty manota teo aloha, ny rehetra no niara-nisalahy tao anatin’io. Samy nanana ny anjara tandrify azy ny tanora, ny mpanao politika, ny herivelona samihafa,… ka tsy tokony hifanilika sy hifanenjika, ary tokony hampandeferina ny tombotsoa manokana, ny fiheveran-tena ho tompon’ny tolona samirery. Ireny efa nambaran’ny Filoham-panjakana ireny ihany koa ny làlan-tsaina fa tsy izay nitolona dia tsy maintsy mila tambiny seza sy fahefana, fa tena hoe ho an’ny Firenena no antony nijoroana, fanovana sy fiovana no andrandraina,… Efa nomena fitokisana ny Fanjakana dia andao hotohanana sy hampiana fa tsy sanatria isika samy isika indray no andeha hifanao valala an-karona, ka hifanenjika sy hifamingana lava eto. Mila tsaroana lalandava ihany koa anefa, fa fanovana ho an’ny Firenena no tadiavina fa tombotsoan’olona na vondron’olona ! Samy manana ny anjara tandrify azy ny rehetra, ary hamafisina hatrany ny hoe : raha te hanova dia mila miova. Lafiny maro no mila an’izay : politika, fiarahamonina, toetsaina,… Betsaka ny zavatra mila hampandeferina, betsaka ny fandinihan-tena tokony hatao, betsaka ny fitondran-tena mila ovaina,… Tsy ho an’ny mpitondra sy ny mpanao politika irery fa ho an’ny vahoaka manontolo. Mila miainga avy any ambony ihany koa noho izany ny ohatra, mba tena hananan’ny rehetra fitokisana sy handraisany anjara mavitrika amin’ny fiainam-pirenena. Iza tokoa moa no hazoto handoa hetra raha sanatria mbola ny fanao ratsy taloha toy ny kolikoly no mbola hotohizana ? Nahoana ohatra ny diaspora vahiny toy ny an-dry zareo any Nigeria, Egypte, Maroc,… mahavita mampiditra hatrany amin’ny 10 hatramin’ny 20 miliara dolara kanefa ny antsika zara raha 500 tapitrisa dolara ? Nahoana i Burkina Faso voasazy iraisam-pirenena kanefa niampy 3 hatramin’ny 4 miliara dolara ny harin-karena faobe tao anatin’ny 3 taona ? Mila maka lesona !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.