Manomboka mazava ny toe-draharaha mahakasika ny sakantsakana na filana vaniny tany Alaotra.
Samy nanana ny nolazainy ireo voakasika. Ny fahitana azy, toa lasa miendrika horonantsary misy mpandray anjara fototra na “acteurs principals”. Rehefa ny vadin’ny deba no manao zavatra tiany hatao, dia malalaka tsy misy resabe na tsy mifanaraka amin’ny lamina aza. Dia iny ihany koa ny an-kilany fa mba nanao ny azy, kinanjo tratry ny don-tandroka. Raikitra ny fifanasana vangy avy eo. Toa nazava ihany anefa ny resaka avy eo : tsy tokony ho nodinganina ny filoha fa izy aloha no manao. Fa maninona raha samy mitondra ny fanampiany dia samy vita ? Vonjy aina io. Inona no olana sy atahoran’ny an-daniny raha mitondra ny anjara birikiny ny hafa ? Toa zavatra tsy dia misy dikany loatra no hifampilana kisa lava eto. Famonjena sy fanasoavana ny Malagasy no atao saingy lasa mivadika ho fifandrafiana. Tsy hifaninanana io satria fitia tsy mba hetra sy vokatry ny fo hoenti-mitsinjo ny mpiray tanindrazana. Tsy resaka varotra ka hoe hifarombaka ny mpividy na “clients” fa malalaka i Madagasikara, ary tsy faritra na tanàna iray no mila vonjy fa ny firenena manontolo. Maninona no tsy atao fifaninanana masina ? Samy manao izay ataony any, dia tsy mifampila kisa. Enga anie mba ho lasan’ireny ny ratsy rehetra, ka mba hahay hiaina ao anatin’ny tsy fitovian-kevitra ny rehetra. Mba mila mifampihaino ihany satria tanindrazana iraisana ity. Samy te hanasoa ny firenena, fa ny hevitra sy ny foto-pisainana hitondrana azy no mety tsy hitovy. Rahoviana vao hisinda sy ho levona eto Madagasikara ny hambom-po diso toerana ka mahatonga lonilony sy fifampiandrasana an-kendritohana lava eto ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.