Edito

Ataovy fifaninana masina e !


  • Talata 29 Novambra 2016

Vita iny ny frankofonia ! Na inona na inona hadisoan’ny mpitondra dia nisy ny ezaka sy ny fanamby ka nahatontosana azy hatramin’ny farany, ary mendrika hiderana azy ireo izany.

Azo lazaina ho nandresy ny fanjakana matoa tontosa iny fivoriana iraisam-pirenenana iny. Maro anefa ny tsy mazava izay tokony hanompanana ny adihevitra ka mila ny fampisehoana ny mangarahara. Araka izany, tsy tokony hifaly na hirehareha be fahatany ny fanjakana fa kosa hamoaka ny marina rehetra sy hanaporofo amin’ny antsipiriany ny tena tombontsoam-bahoaka tamin’iny fihaonana iny. Lesona ho an’ny mpanohitra ihany koa anefa ireny ary tokony hametraka fanamby izy ireo fa afaka mahavita zavatra tsara kokoa noho ny vitan’ny mpitondra, fa tsy lany andro mivazavaza etsy sy eroa, ka mba ny asa no hitsaran’ny besinimaro azy ireo manomboka izao. Nitondra fiovana teto amintsika ny fisian’iny fivoriana iraisam-pirenena iny na dia iviny kely aza ny an’ny vahoaka, indrindra fa teto Antananarivo. Niredareda am-boaloahany toy ny afo-mololo ihany anefa ny zava-drehetra, ka maty sahady ilay mba hany fanantenan’ny maro an’isa dia ny hitohizan’ny fandaminana sy fandrindrana isan-karazany. Tsara raha tohizana izay ezaka efa natomboka mba tsy hotsarain’ny vahiny ho toy ny kisoa avy nampandroina isika, ka vao vita ny frankofonia dia hiverina hiaina amin’ny fiainana efa hita fa tsy mety sy tokony hovana. Fifaninanana masina no tokony hisy eto ka ny sokajy tsirairay dia tokony hiezaka hametraka ny toerany amin’ny alalan’ny asa azo tsapain-tanana, fa tsy lany andro amin’ny resabe tsy mampandroso.

 

Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT