Ataovy am-pisainana e !

Mbola ao anatin’ny


  • Talata 16 Desambra 2025

fotoan-tsarotra ny Firenena,

saingy sarotra kosa ny hiteny fa misy fiovana sy fanovana mandeha, na dia vao roa volana monja aza isika no niala tao anatin’ny Fanjakan’ny jadona sy ny tsy maty manota. Ny fanovana sy fiovana ihany koa tsy midika fa tsy mety sy tsy izy rehefa tsy mifanaraka amin’ny fomba fijerina olona na vondron’olona na antoko politika noho ny mety resaka seza sy tombotsoa nandiso fanantenana. Ekena ny lesoka, fa ny finiavana hisintona midina sy hitsivalam-pandry na koa hanatsantso sy hanozona kosa tena tsy mety. Betsaka ny tsy maty voalavo an-kibo, mandady ny trambo,… eny tena misy ny mahatsiaro ho voatohintohina amin’ny fanovana tiana hapetraka. Na izany na tsy izany, tsy azo atao ny manao bemarenina na sanatria hamerina ny efa fahadisoana teo aloha. Betsaka ny lesoka mila harenina, mila fihainoana ihany sao sanatria mbola ny sary ny teoaloha no hiverina. Tsy adala ihany koa ny vahoaka tsy hahalala ny setroka sy ny tomany, mila miakatra ny lentan’ny resaka sy adihevitra, ary tsy tokony hihinana am-bolany, ka hanohana an-jambany na hitsikera be fahatany, fa mila mba am-pisainana e ! Roa volana no hivalona, mety misy ny dingana vita, mety eo no mbola an-dalana, fa betsaka ihany koa no mila faharetana, saingy mila vokatra ihany koa !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT