Edito

Ataon’ny tazom-pahefana mivika !


  • Alakamisy 29 Desambra 2016

Dia sanganehana indray ny rehetra fa ao anatin’ny fotoana tokony hisian’ny fitoniana sy tsy hisainana firy ny politika efa ho dridrangilo eto amin’ny firenena mihitsy no vao mainka hampanenoan’ny sasany ny anjomara sy ny siotsiokan’ny rivotra politika.


 Mandeha indray ny resaka fa misy ny fikononkononana fanonganam-panjakana, izay tsy fantatra intsony marina na iniana aely fotsiny. Manimanina ny fahefana efa tsy an-tanana intsony ve ireo efa za-dratsy tsy mahandry ny andro ririnina, ka mihevitra indray ny haka fahefana amin’ny fomba mamohehatra noho ny tsy fahandrasana ny fotoam-pifidianana ? Sa kosa ireo mbola mitazona ny familiana an’i Madagasikara no efa mahina tsy enjehina amin’ny ratsy atao ka tsy misaina afa tsy ny fionganany ? Tsy misy mantsy ny finiavana hanitsy ny dia fa ny fahazaran-dratsy toy ny afera maizina ihany no mbola hatao. Tsy mahagaga raha maro no efa te handrodana azy. Ny tsy azo lavina dia samy voan’ny tazom-pahefana, ka tonga amin’ny fitenin’ny tanora hoe “mivika” na koa hoe ahoana no hitazonana ny fahefana ho eo am-pelatanana mandrakizay ? Efa rotiky ny fitiavan-tena sy fitiavan-tseza ka tsy misy fety sy andavanandro intsony fa ataon’ny tazom-pahefana miverin-tsaina !

Toky R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT