Edito

Atao sorona indray ?


  • Alatsinainy 11 Jolay 2016

Nafampana ny toe-draharaham-pirenena tato ho ato ary tsy vitsy ireo efa elaela tsy niteny teo amin’ny sehatra politika no nipoitra indray toy ireny mesia ireny ary dia “mijapy”, hoy ny fitenenana, rehefa misy afo mitady hirehitra.


  Samy manao fanambarana daholo. Ny sasany manameloka, ny hafa mitaky fametraham-pialana, ao ny miteny hoe mitsangàna ... Raha ny tantaram-pirenena aloha no jerena dia hita ho saika sorona sy fitaovana politika foana ireo izay nitoky tamin’izy ireny fa avy eo adinony ireo mbola velona na nahazo takaitra rehefa tonga eo amin’ny fitondrana izy. Matimaty foana ireo niara-nitolona tamin’izy ireo. Efa nanindroa sy nanintelo ny ankamaroantsika, araka izany, ka atsipy ny tady eny an-tandroky ny omby ary atsipy ny teny am-pon’ny mahalala mba tsy hanaiky atao sorona lava intsony anie isika.Tena tsara ny mandray andraikitra ho fanavotam-pirenena fa mila mailo ihany kosa anefa fa tsy ho ataon’ny mpikarama an’ady politika tohatra fiakarany eo amin’ny fitondrana fotsiny, manao ny ataony ihany izy rehefa tonga eo.Ary ny tena loza aza dia mamerina ny ratsy fanaon’ny teo aloha ihany ilay milaza fa hitondra fanovana..matetika.

Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT