Edito

Atao sorona


  • Zoma 06 Mey 2011

Niova tampotampoka teo ny paikadin’ny FAT amin’ny fitetezam-paritra handresen-dahatra ireo mpitondra Afrikanina, ka nijanona eto an-toerana ny filohan’ny FAT, Andry Nirina Rajoelina fa ny praiministra Camille Vital no nalefa hifampidinika amin’izy ireo.

Vao herinandro mahery anefa no nanambara ny filohan’ny FAT fa filoham-pirenena Afrikanina maromaro no efa nanaiky ny hihaona sy hiresaka aminy. Nony tonga tany Zambia anefa izy dia ny filoha lefitra no nandray azy, ka mampiahiahy ihany ny filazana fa filoha Afrikanina maromaro no efa vonona ny hihaona amin’ny filohan’ny FAT. Na tsy nifankahazo tsara ny resaka, na mety nibolisatra ny mpandika teny ka nilaza zavatra hafa. Maro koa ireo manombantombana fa mety efa mahalala ny zavatra hitranga amin’ny 20 mey, ka hanitsiana indray na hanovana tanteraka mihitsy ilay sori-dalana i Andry Rajoelina ka tsy niditra lalina intsony fa ny praiministra sy ireo minisitra no ataony sorona ka alefany hiezaka handresy lahatra farany ireo filoha afrikanina. Araka ny re mantsy dia mety hisy ny fikitihana ilay sori-dalana narafitry ny Dr Leonardo Simao maimaika ka nanomezany vahana ny FAT, satria hita mibaribary fa tsy tena ho amin’ny tombontsoa iombonana sy ho fanavotana ny firenena malagasy ilay izy.

Ny Ankolafy 3 ihany koa dia manana ny paikadiny amin’ity resaka diplaomasia ity ary tena miasa mafy amin’izany ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana any Afrika Atsimo any, izy rahateo dia mifankalala tsara amin’ny ankamaroan’ireo filoham-pirenena ao anatin’ny SADC no sady mitovitovy fomba fijery sy politikam-pitantanana amin’izy ireo. Ao anatin’izany rehetra izany dia miantehitra amin’ny Frantsay sy Maorisianina ny FAT mba hanohana sy hanampy azy hahazo rariny manoloana ny fivoriana tsy ara-potoan’ny SADC amin’ny 20 mey. Miankina amin’ny hevitra tapaka sy hivoaka eo mantsy ny tohin’ny raharaha rehetra, na tsy maintsy haverina indray ny fifampidinihana rehetra amin’ny ankolafy politika rehetra, na hiroso amin’ny tetiandro efa napetrany ny FAT satria mahazo fankatoavana sy fanohanana avy any ivelany. Mbola ao anatin’ny ady mafy ny diplaomasian’ny andaniny sy ny ankilany amin’izao fotoana koa ho hita eo izay tena matanjaka. Ny azo antoka aloha dia sarotsarotra ho an’i Andry Rajoelina ihany ny tonga dia hahazo fankatoavana avy amin’ny SADC, na dia ny vavabe nataony volana vitsivitsy lasa fotsiny aza sy ny filazany fa mpiaro ireo mpanao didy jadona ity fikambanana ity, ary tsy tokony hiditra amin’ny raharahan-tokantranon’ny Malagasy.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT