Edito

Atao haingam-pandeha daholo !


  • Sabotsy 23 Mey 2020

Tsy vao sambany amin’izay heverina ho vakoka nokitihan’izao fitondrana izao akory ny lapan’i Manjakamiadana, raha ho an’ny teto Antananarivo sy ny manodidina fotsiny no akana ohatra.

 

 

 Isan’ny efa niteraka adihevitra be koa ny tohotohobaton’Antaninarenina sy Ambondrona. Teo koa lapan'Ambohitsorohitra, ny paositra Antaninarenina, lapan’ Andafiavaratra, Kianja Mahamasina, ny lapan’ny fitsaranan’Ambatondrafandrana sy ny hafa rehetra. Raha amin’ny filazan’ireo siantifika azy, rehefa mijery ireo tahirin-kevitrana manam-pahaizana maneran-tany aloha dia ny fikitihana na fanovana endrika ny toerana na akora manan-tantara iray no antsoina hoe “depatrimonialisation”, izany hoe fanalana ilay sata maha vakoka ny vakoka iray. Asa aloha na fanovana ny endriky ny lapan’ny Manjakamiadana na tsia ny fambolena kolontsaina raomanina ao anatiny. Samy manana maso mijery sy mahita ny rehetra, ankoatran’ireo manana fahasembanana ara-pahitana. Vavolombelon’ny tantara ireny vakoka ireny ary mitahiry ny maha izy azy ny firenena iray. Antony hisarihana sy mahasarika mpizahantany ao aminy izany. Izay tsy misy any aminy rahateo no mahasarika ny olombelona ho zahana amina toerana iray. Toetra Voajanahary izany. Izany no antony mahasarika ireo mpizahantany ao Paris ho ao amin’ny Tour Eiffel, ohatra. Ny niafaran’ny tranombokin’I Alexandrie sy ny Piramiden’ Egypta amin’iny endriny mirakitra tantara iny no mahaliana ireo mpivahiny rehetra any fa toy ny tsy tany ianao raha tsy nitsidika an’ireo. Tsy hahasongona ny fahalianan’ny mpizahantany amin’ny Coliseum ao Raoma, Italia, mihitsy ny fisiana Coliseum amina toerana tsy niavian’izany kolontsaina izany. Kasaina ho atao haingam-pandeha, araka ny anarana nomena ny filoham-pirenena, daholo izany eto na ny fampandrosoana izay andrasana hatramin’izay na ny fanovana ny tantara sy ny maha izy azy ny malagasy saingy indrisy fa ny hafainganam-pandehan’ny fahasahiranam-bahoaka aloha no tena misongadina.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT