Asehoy fa tena azo itokisana !

Nisafidy ny hizotra amin’ny làlan’ny


  • Alakamisy 26 Febroary 2026

fanovana ny Firenena isika !

Tsy vita iray andro ny fampandrosoana, sarotra ny manarina ny fahapotehana tao anatin’ny 16 taona,… Tsy vitan’ny fahapotehana ara-toekarena sy ara-tsosialy rahateo ny faharavana nentin’ny fitondrana mafia teto, fa tena fahapotehana amin’ny lafiny rehetra : toekarena, sosialy, politika, toe-tsaina, fanabeazana, làlana,… Fahantrana lalina tsy ara-batana fa ara-tsaina sy ara-panahy no naterany, fahapotehana ara-moraly, krizin’ny fifampatokisana,… Tsy mba nisy firy intsony teo amin’ny Malagasy izany fitoniam-po sy saina izany, fa tena niaina tao anaty rivotry ny faharavana. Tsy nahatsiaro fahasambarana, fa toy ny fonjabe mitafy lanitra. Mety misy Firenena hafa mahantra, mety mitovitovy fari-piainana amintsika fa mety faly sy ravo kokoa noho ny malagasy niaina ny gejan’ny 16 taona. Tsy hoe efa tsara be ny zavatra iainantsika ankehitriny, tsy hoe efa nisy fiovana goavana tao anatin’ny 5 volana,… fa misy kosa ny finiavana, teraka indray ny tsirim-panantenana fa afaka ny hanana fiainana tsara kokoa ny Malagasy, rava ny mandan’ny Fanjakana bemarenina sy nihevi-tena ho amperoran’i Madagasikara na efa nihosina amin’ny tany aza ny Malagasy mbola novokisana lainga sy abobo, niaraka tamin’ny famoretana,… Noho izany, tsy manan-jo handiso fanantenana ny vahoaka Malagasy ny mpitondra ankehitriny, tsy manan-tsafidy hivaona na sanatria hamerina ny nataon’ny teo aloha,… Mila miainga avy any ambony ny ohatra amin’ny fahintsiana, fangaraharana, fanehoana fa tena miasa ho an’ny vahoaka ahitam-bokatra,… Ekena ny ezaka, fa tsy takona hafenina ny mety ho lesoka lasa fandoto iray tandroka ka aoka hahay haka lesona !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT