Edito

Asakasaky ny FAT


  • Talata 05 Oktobra 2010


Henjankenjana manomboka izao ny mety ho fitrangan’ny raharaha politika satria miseho indray ny fifanoherana mahery vaika eo amin’ireo mpifanandrina. Eo aloha ny fitondrana FAT izay manao ny ainy tsy ho zavatra amin’ny propagandy ampandaniana ny Eny ny 17 novambra ho avy izao. Mazava ny baiko ho an’ireo rehetra manohana ny FAT : tsy maintsy vita ny fitsapan-kevi-bahoaka ary lany ny ENY. Ny mpanohitra kosa anefa dia efa manana ny paik’adiny ihany koa ary tsy hanaiky lembenana. Mazava ny tenin’i Fetison Rakoto Andrianirina fitsapan-kevi-bahoaka tsy ara-dalàna io. Hitety faritra ny Ankolafy Telo hanentana ny olona mba tsy hifidy, satria fitaka be vava atao amin’ny tanindrazana io amin’ny 17 novambra io araka ny filazan’izy ireo azy. Manampy izany rehetra izany dia nipoitra sy naneho hevitra indray ireo filoha mirahalahy teo aloha dia Atoa isany Ratsiraka Didier sy Ravalomanana Marc. «Ao tsy ho voafitaka», hoy ny filoha Ravalomanana, «Atsaharo io fa aza atao maimaika», hoy kosa ny filoha Ratsiraka momba io fitsapan-kevi-bahoaka io. Nambaran’izy ireo fa tsy vahaolana ivoahana amin’ny krizy ny zavatra ataon’ny fitondrana FAT amin’izao fotoana, ary tsy hipetra-potsiny izy ireo fa ho avy hiara-hidinika amin’ny ankolafy rehetra eto an-tanindrazana.

Ny Ankolafy Telo rahateo dia efa ho herinandro izay no niomana amin’ny fitsenana an’i Deba sy i Dada. Heverina kosa angamba fa tsy tsaho intsony na resabe ny amin’ity indray mitoraka ity fa tena ho avy amin’izay ry zareo, satria efa herintaona no niandrandra izany ireo mpomba azy tsirairay avy. Ny SADC amin’izany tafalatsaka ao afovoany, tsy kivy fa mbola vonona ny hanelanelana ny diniky ny samy Malagasy, ary miha hita soritra amin’izao fotoana fa tsy maintsy hihaona an-databatra ihany ireo mpifanandrina politika, ary hisy indray ny fanaovan-tsonia, atsy ho atsy. Manantena ny fahendren’i Andry Rajoelina ny maro, satria miankina aminy ny hampilamina na hampikorontana ny firenena. Mazava izao fa tsy mbola vahaolana ilay fitsapan-kevi-bahoaka amin’ny 17 novambra, satria misy ny fifampiresahana tokony hatao.

Tsy azo ahilika ao anatin’izany mihitsy ireo filoha teo aloha, satria izy ireo no tomponandraikitra voalohany teto, ary mahafantatra zavatra maro, manana ny anjara toerany ihany koa ireo mpanao politika, izay mifamadibadika toerana teo tamin’ny fitondrana nifandimby. Efa firosoana sahady amin’ny fampihavanam-pirenena tena izy ny fahafahan’ireo any an-tsesitany mody an-tanindrazana, ary fanohizana izany ny fiaraha-midinika eto an-toerana. Vahaolana petatoko sy maimaika ny ankoatra izay, fa dia asakasaky ny FAT raha hijery marina ny tombontsoa iombonana izy na hanao izay hifikirana eo amin’ny fitondrana na inon-kidona na inon-kihatra !

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT