Asakasak’izay

mbola hino


  • Zoma 08 Septambra 2023

Tsy misy ny mesia na iza na iza amin’ireo kandida ireo! Niaraha-nahita izao fa tsy mbola isan’izany

ihany koa ny filoham-pirenena ankehitriny. 5 taona lasa izay no nararadrarany ny fampanantenana ary isaky ny nihaino azy tany anaty fampielezankevitra tany dia saika taitaitra daholo izay nanotrona hoe hamirapiratra amin’izay izany ity Madagasikara malalantsika ity. “Flyover”, Tanamasoandro, Teleferika, “building” na inona na inona fa dia hoe ho vitantsika ao anaty 5 taona ny tsy vitan’ny teo aloha tao anatin’ny 60 taona. Tsy nohamarinin’ny kandida Andry Rajoelina tamin’izany fotoana izany tokoa aloha hoe fampandrosoana tsy vita tanaty 60 taona ve ilay tiany noresahana sa fampahantrana tsy vita tanaty 60 taona? Vita ihany ity ilay 5 taona naha filoham-pirenena azy. Mbola nahenoana fampanantenana foana isan-taona, isam-bolana, eny, saika ho isan’andro mihitsy aza dia mbola fampanantenana foana ihany no matetika heno. Iny koa farany teo tetsy Mahamasina fa mbola naredareda indray ny fampanantenana. Ho tsaroana amin’izay, hono, izay adino. Tokony ho gaga ve ity filoham-pirenena hamarana fotoam-piasana manomboka rahampitso ity sy ireo mpiaradia aminy raha hitsoaka an-daharana hanori-ponenana vaovao tsikelikely daholo ireo lazaina hoe mpiara-mitolona taloha? Asakasak’izay mbola hino tokoa!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT