Edito

Asa na mbola mitondra !


  • Alatsinainy 21 Novambra 2022

Asa na mbola azo lazaina hoe mitondra firenena no azo hanambarana ny ataon’ireo ambarantsika ankehitriny fa mpitondra antsika ireto.

Inona izany izao ilay tena azo lazaina hoe vaindohan-draharahan’izao fitondrana mijoro ankehitriny izao? Mijery ny fampitam-baovao izay nataon’ity fitondrana ity batisa ho ofisialy moa izany dia tsy misy zavatra hita loatra ankoatran’ny hoe nizara jiro “cobra”, nanome fanomezana izao sy izao taorian’ny haintrano tary na tary, nidina ifotony tatsy sy ny toy izany hatrany. Etsy ankilany dia mandokandoka indray ireo mpiray loko milaza hoe hafa mihitsy ity minisitra ity fa tena midina ifotony, mbola mavitrika tsara, tanora mipitipitika toy izao mihitsy no ilaina, bogosy, manja saingy ny fanontaniana mipetraka nefa dia tsotra. Nahatafavoaka ilay firenena ao anaty fahantrana ve? Mampahatsiahy ilay fanazavana iray izay hoe raha manana olona maromaro mahavita zavatra iray natao omena 20 Ariary ve ianao kanefa mahita olona mahavita mitovy amin’izany saingy mitaky 100 Ariary dia aleonao ve misafidy ilay mitaky 100 Ariary nefa ilay 20 Ariary aza tsy voalohanao araka ny tokony ho izy? Resaka fotodrafitrasa indray dia jerena ny manodidina rehetra. Nasiana hopitaly manara-penitra, EPP manara-penitra, lisea koa toy izay, CEG, kianja 1 na 2 isam-paritra angamba, raha misy dia misy ary ny fanontaniana mbola mipetraka hatramin’izao dia hoe efa tomombana ara-poto-drafitr’olona sy fitaovana ve izy ireny sa mbola misy ilay mety hirodana ho azy toy ilay nolazaina fa nanara-penitra tao anaty tetezamita? Efa tsy mitete intsony ve ireo EPP na CEG lazaina ho manara-penitra ireo? Asa hoe ohatrinona indray izany izao no lany nitsenana iny dika mitovy amin’ny filoham-pirenena ankehitriny nanamarika ny faran’ny herinandro iny. Ny kere nefa miha mameno ny nosy. Ny jiro sy rano, eny, ny angovo izay tokony ho loharanom-piharian’ny mponina rehetra tsy tomombana hatramin’izao. Mpitondra sa mpanao werawera sa mpanao “buzz” sa efa mpanao praopagandy hatramin’ny voalohany hatramin’ny farany mihitsy no nitarika ity firenena ity tao anatin’izay 4 taona mahery izay ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT