Edito

Asa izay ho ambaran’ny filohan’ny tetezamita, fa raha ny fahitana azy aloha dia sarotsarotra ihany ny toe-draharaha.


  • Alatsinainy 21 Mey 2012


 Efa eo an-tokonam-baravarana ny fipoahana ara-tsosialy eto. Ny mpahay toekarena rahateo efa nampiomana fa roa na telo taona taorian’ny 2009 nanombohan’ny fifandirana politika vao tena ho mafy ny krizy, dia io izy iaraha-mahita io. Velon-taraina ny mpandraharaha fa tsy mety araka ny tokony ho izy intsony ny asa, fatiantoka aza no mitranga ary misy mihitsy ireo mampihena ny zavatra ataony na manakatona ny orinasany tsotra izao. Raha hindram-bola any amin’ny banky, dia mbola sarotra satria banky vahiny daholo no misy eto ka tsy mahagaga raha ny mpandraharaha vahiny no mahazo tombony ; mitazana sy mitsiriritra fotsiny ireo mpandraharaha malagasy. Ny fampianarana moa dia io efa mikorontana ambony ambany io, kanefa dia mbola sahy hanao bodongerona hikarakara fanadinana araka ny tetiandro nisy hatramin’izay ihany ny ministeran’ny fampianarana. Nisy anefa ireo sekoly efa ho roa volana nikatonana.

Raha ny tokony ho izy dia ahemotra ny datim-panadinana. Ahiana ho ratsy kokoa noho ny teo aloha rehetra ny voka-panadinana amin’ity taona ity. Amin’ity alatsinainy ity dia hitokona indray ny Paramed. Tsy tanteraka hatramin’izao ny fampanantenana nataon’ny fanjakana tamin’izy ireo roa taona lasa izay. Ny fitakian’ny ankolafy politika hafa dia mbola mitohy ihany koa. Nanamafy ny ankolafy Ravalomanana fa tsy mandaitra amin’izy ireo ny fampitahorana, tsy mbola hanatrika fivoriana izy ireo fa mitaky ny fampiharana manontolo ny tondrozotra, indrindra fa ilay andininy faha-20 momba ny fodian’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana.

Ny ankamaroan’ny olona dia mahita sy mahatsapa fa efa tsy mahefa intsony i Andry Rajoelina ary ilaina ny fananganana tetezamita amin’ny endriny hafa mihitsy. Seho ivelany no betsaka, fa raha ny tena marina dia efa an-tenda ny ranombary, kely sisa dia ho difotry ny olana ny mpitondra, ary kely sisa dia hiverina indray ireny savorovoro tamin’ny 2009 ireny. Karazana fanokafam-bavony ny fahitana ny tamin’ny sabotsy 19 mey teo ireny, fa ny manetsa be mbola ho avy. Misy antony matoa olona aman’arivony maro no tonga teny Ambohijatovo ary masiaka fomba fiteny momba ny manampahefana. Misy antony matoa efa mahasahy mifanandrina amin’ny mpitandro ny filaminana ny olona, ka raha amin’izao no mbola manao be marenina ihany ingahy Rajoelina sy ny ekipany dia ...bye bye volamena, araka ilay hira io fa dia tsy maintsy hipoaka ihany ny sarom-bilany e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT