Edito

Asa indray izay tohiny !


  • Alatsinainy 27 Jona 2022

Asa indray izay tohin’ireo fanazavana rehetra efa nomena mikasika ny zava-mitranga eto amin’ny firenena ity.

Tsy hita intsony hatramin’izay tokony handraisana azy fa dia lasa saina ny maro hoe hay ve ka mety mivadika tsiranoka sy entona ny volamena? Hay ve mety mivadika vy? Solika firy litatra, hoy ny sasany, no nanjavona tao fa dia io miverina miha tsy zaka io indray ny delestazy? Ny very aloha izany dia mitohy very. Ny tsy hita mitohy tsy hita. Ny fanazavana misy foana saingy ny fahantram-bahoaka koa mitohy miha lalina. Miha potika sy tsy misy intsony ny fihariana eto amin’ny firenena izay hampian’izany rehetra izany sy ny tsy fandriampahalemana tsy mety voalamina trotraka. Nampidera indray ny fahaiza-manaony tetsy amin’ny kianja Barea iny ireo heverina fa tandroka aron’ny vozona eto amin’ny firenena. Nampidera ireo fitaovana vaovao ihany koa. Hatraiza kosa anefa ny fandraisana andraikitra hamongorana izay tsy fandriampahalemana izay fa toa ireo mitaky zo sy tambin-karama hatrany no hiharan’ny herim-pamoretana, hoy ilay fanontaniana mahazatra ireo mpanara-baovao? Nisy tohiny hatrany ny fanazavana saingy ny hetsika hitondra fampandrosoana sy fandriampahalemana kosa… Asa indray izay ho tohiny !
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT