Edito

Asa indray izay hitranga


  • Alatsinainy 04 Janoary 2021

Ny fiezahana tsy hamerina ny tsy nety teo aloha, ny fihazonana sy fanatsarana

 

kokoa ny efa nety ary ny fitadiavana zava-baovao mbola mahasoa kokoa hatrany amin’ny ankapobeny no fintin’ny atao hoe fanamby ankapobeny fanaon’ny zanak’olombelona amin’ny fotoana hanapahany hevitra ampivoatra ny fiainany. Tsy voatery ho rehefa tonon-taona toy izao io fa amin’ny fotoana rehetra mety hanampahan-kevitra handrosoana. Efa nampatsiahivina teto nialohan’ny niafaran’iny 2020 iny ihany ireo heverina sy hita ho lesoka tao anatin’izay 2 taona nidirana tanaty fitondram-panjakana vaovao izay. Nezahana notanisaina ihany koa ny tena filam-bahoaka marina ao anatin’izao adim-piainana misy eto Madagasikara izao. Napetraka mihitsy aza ny fanontaniana hoe mbola hitompo teny fantatra ho nandeha tamin’ny lalana tokony ho izy ve ny fitondrana misy? Mbola hanamafy ve fa ny fananganana kianja sy dobo filomanosana izao no maika ho an’ny vahoaka Malagasy izay miha mitrongy vao omana sy kere andro aman’andro? Niaraha-naheno anefa ny kabarin’ny filoham-pirenena ny alin’ny 31 desambra teo. Mbola hita ho mibahan-toerana mialohan’ny mahasoa izany ny mahafinaritra aloha. Hisy fiovana azo antenaina ve? Ny azo antenaina angamba aloha dia ny hoe enga anie hisy ny fahagagana satria asa indray izany izao izay hitranga manoloana izao lojika efa hita ho tsy nahomby hatrizay nefa mbola hikirizana ho tohizana izao indray. Ry zareo mpanohitra moa io efa mandrangaranga ny tsy hipetra-potsiny ka dia asa fotsiny.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT