Edito

Asa ho an’ny firenena tokoa ve ?


  • Alakamisy 23 Aprily 2015

Tsy mbola fantatra mazava hatreto izay daty hiverenan’ny delegasiona tarihan’ny filoham-pirenena miatrika ny fihaonana Azia-Afrika any Indonezia izay hifarana anio. Mifanindran-dalana amin’ny dian’ny mpianatry ny CEDS ihany koa moa izy ity ka mety mbola nifanao fotoana angamba ny roa tonta, fantatra rahateo fa anisan’ireo olona akaiky ny filoham-pirenena ny delege jeneralin’ny CEDS ary mifankahazo tsara ny tadin-dokangan’ny roa tonta.

 

Manitikitika ny saina ihany ity dia indray mitoraka ity satria inoana fa tsy kisendrasendra ny nampifanojo ny dian’ny CEDS any Indonezia sy ilay fihaonan’i Afrika-Azia. Heverina fa misy paikady mazava ao ambadik’izy ity dia ny fihetsiketsehan’ny fanjakana malagasy mba hitady famatsiam-bola any Azia satria tampina ny daomy amin’ireo mpamatsy vola mahazatra noho ny tsy fahafenoan’ny fepetra. Miha voaporofo ihany koa izao ny fisian’ny fiaraha-miasa matotra eo amin’ny fitondrana HVM sy ny CEDS. Antenaina  fa mba hitondra voka-tsoa ho an’ny firenena izany fa tsy sanatria resa-pianakaviana sy finamanana fotsiny e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT