Asa goavana!

Sarotra ny miala amin’ny mahazatra,


  • Talata 24 Martsa 2026

hoy ny fitenintsika malagasy.

Nanodidina ny 30 taona teo, ho an’izay nahatsiaro, ny fitaizàna ara-bola na «éducation financière» mikasika ny hoe mila zaraina 5 ny vola Iraimbilanja na «Franc malgache» izay vao tonga Ariary. Ato ho ato izany, raha toa ka hifanarahan’ireo mpandinika azy indray, dia ho zaraina 20 ny sandan’ny vola ambony indrindra miasa eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao. Heverina fa anatin’ny antsoina hoe fanovàna sy fanavaozana kasaina ho tanterahina anatin’izao dingam-pitondràna antsoina hoe fanavaozana an’i Madagasikara izao ihany koa izany. Mandeha koa izany anatin’izay rehetra izay ny fitsirihana lalina mihitsy mba tsy hisy mpandainga ho tafiditra intsony amin’ireo mpitantana an’ity firenena ity. Samy mitazatazana amin’izao fotoana izao ny mpanara-baovao hoe mba hanao ahoana tokoa moa izao izany? Hitombina ve izany fitondràna tsy ahitàna mpandainga izany mihitsy? Hatreto tokoa! Manao ahoana ny fanavaozana na fanovàna efa tanteraka eto amin’ilay firenena? Samy mandinika sy mitsakotsako ny rehetra. Efa tafàla daholo ve ny forongony? Ny atao hoe forongony, hoy ry zareo sendikalista izay, dia ireo rehetra manana fomba fiasa ohatran’ny an’ny fitondràna teo aloha. Manana fomba fiasa ohatran’ny an’ireo mpitondra teo aloha. Izay rehetra manana fomba fiasa toy ireny nataon’ny fitondràna Andry Rajoelina ireny izany, na TGV izy na tsy TGV, na IRMAR na tsy IRMAR, dia forongony, hoy ry zareo sendikalista. Mandinika tokoa isika izany ankehitriny hoe fa inona tokoa moa izany no mba nentin’izany fitondràna teo aloha voalaza teo izany teto amin’ity firenena ity ankoatran’ny fahantran’ilay firenena? Fomba fiasa nahatonga vokatra tahaka izany ve no sanatria mbola averina dia azo antenaina hitondra vokatra vaovao manalavitra ny atao hoe fahantran’ny firenen? Mazava ho azy fa tsia no valiny. Asa goavana araka izany no miandry ahatongavana any amin’ilay antsoina hoe fanovàna sy fanavaozana ary heverina fa tsy mora ihany koa, raha izao fiaingany tao anatin’ny 5 volana manodidina izao aloha!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT