Asa fanakorontanana

Iza moa no tsy nahita fa ankihibe nihohoka aza


  • Talata 19 Martsa 2024

nisamboran’olona teto. Olona avy nividy laisoa voninkazo na «choux fleur»

koa nosamborina, nalefa tanaty kamiao. Raha tsy nampiseho ve izany izy fa «choux fleur» no tao anaty kitapony tamin’ireny fotoana ireny dia mety nihidy, hoy ny fanontanian’ireo mpanara-baovao tamin’izany fotoana izany? Io indray izao ny olan’ny SMA. Inona moa izany no tombony amin’ny fanonganana daba feno fako eny afovoan’arabe izay mitohy amina namana voasambotra sy mamoy aina mihitsy? Tsy hita mazava hoe nisy mpanao politika nitarika teo na lehibena sendika malaza nijoro nialoha an’ireo nilaza fa tsy faly tamin’ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo ireo. Tsy maintsy manery saim-bahoaka amin’ny fanaboriboriana ny fitakiana rehetra amin’ny hoe asa fanakorontanana foana ve? Mitaky vatsim-pianarana ny mpianatra mpikaroka dia lazaina fa fanakorontanana. Mitaky ny zony ny mpampianatra mpikaroka dia lazaina fanakorontanana. Mitaky ny zony ny sendika dia lazaina fa fanakorontanana. Raha ho avy koa ve izany, ohatra, ny olompirenena tsotra haneho ny tsy fahafaliany amin’ity lalana feno lavaka eto Antananarivo ity na ny any amin’ireo faritra hafa amin’io fahasimban’ny lalana io dia mbola hoe asa fanakorontanana koa? Tsy azo lavina tokoa fa misy izany atao hoe asa fanakorontanana izany amin’izao fotoana izao saingy eo izany no mipetraka ny fanontaniana hoe fanakorontanana an’iza? Tsy ny vahoaka malagasy ve izao no mikorontana satria tsy mandry fahalemana, tsy zarizary sakafo, tsy manana asa, tapaka karama sy isehoan’ity endrim-pahasahiranana rehetra ity? Iza izany no tena mpanakorontana dia iza no korontanina eto no mbola firenena faran’izay mahantra foana isika hatramin’izao? Asa hoe inona indray rahampitso sy rahafakampitso no ho lazaina fa asa fanakorontanana eto amin’ity firenena ity? Asa fanakorontanana mpitondra sa asa fanakorontanana vahoaka ilay tena miseho ho lany ankehitriny io izany? Anjaran’ny tsirairay no mandinika sy mamaly.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT