Ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka amin’izao fotoana ny manampahefana momba ilay nambara fa baomba nipoaka teny amin’ny tobin-dasantsy Total Tsiazotafo, ary raha ny tsiliantsofina re dia mety hisy ny fanampim-panazavan’ny tompon’andraikitra mikasika iny raharaha iny amin’ity herinandro ity. Ny zoma hariva alina teo moa no nitrangan’ity fipoahana ity. Zavatra simba no nisy fa tsy nisy kosa ny naratra na namoy ny ainy. Araka ny resaka nifanaovana tamina mpanao politika iray dia mahagaga sy mahatalanjona mihitsy fa isaky ny milaza ny hanao hetsika goavana eny Ambohijatovo na eny amin’ny kianjan’ny 13 mey ny mpanohitra ny HAT, na hisy ny fihaonana eo amin’ireo lehiben’ny ankolafy 4 dia misy baomba hita foana. Mametra-panontaniana ity mpanao politika ity hoe : «f’angaha moa tsy efa nambaran’ireo mpitandro ny filaminana fa efa tratra avokoa ireo voarohirohy tamin’ny raharaha fametrahana baomba sy ny fitaovana nampiasainy, ary hoe efa fantatra ny nanome ny baiko sy namatsy vola. Ka nahoana no mipoitra tampoka indray ity resaka ity ankehitriny ?».
Manahy ireto mpanao politika tsy mitovy hevitra amin’ny HAT ireto fa sao dia tetika hamonoana ny hetsiky ny ankolafy telo izao resaka baomba izao. Amin’izy ireo dia misy ny ankolafin’olona akaikin’ny HAT tsy nanaiky, tsy manaiky ary tsy hanaiky mihitsy ny hijoroan’ny tetezamita iaraha-mitantana ka mety ho izy ireo no mikaroka hevitra hampandamoka ny fifampidinihana, sy hisamborana ireo mpitarika ny hetsiky ny ankolafy telo. Tsy ho mora, araka izany, ny asan’ny mpanao fanadihadiana satria mifamahofaho be ity raharaha baomba ity. Ny olona nolazaina fa tompon’antoka tamin’izany efa nogadraina daholo, ny tompon’andraikitra voalohany nambara fa efa fantatra ny anarany, ary ho avy ny fisamborana azy. Mbola miverina indray anefa ny fametrahana sy fanapoahana baomba. Ka iza marina ary no tena ao ambadik’izany ? Asa fampihorohoroana ve izy ity sa fomba fiady politika ? Ary iza no tena mahita tombontsoa aminy ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.