Edito

Asa fa tsy sonia fotsiny


  • Alarobia 14 Oktobra 2015

Inona moa ny taratasy tsy efa nosoniavina teto, firifiry ny fifanarahana natao, an-jatony ny atrikasa sy fikaonan-doha tanterahana isa-taona, fa mbola izao misavorovoro ara-politika sy ara-piarahamonina izao ihany i Madagasikara.

 


Miteraka vokatra ratsy eo amin’ny toekaren’ny firenena izany ka miantraika any amin’ny fiainan’ny isan-tokonam-baravarana. Tena tsara ilay fahasahiana sy fahavononana nasehon’ny governemanta omaly hoe hiady amin’ny kolikoly ary hisy ny paikady vaovao hampiharina. Ataovy hitan’ny rehetra maso aloha fa tena mandray andraikitra marina e ! Maro ny anarana efa fantatra amin’ny resaka trafikana fitaovam-piadiana, fivarotan’olona, fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena, sambory dia tsarao ary gadrao aloha ireny olona ireny dia ho hita eo indray izay ho tohiny. Betsaka loatra mantsy ny resaka sy ny kabary atao, hany ka efa tsy mahataitra ny olona intsony fa lasa hoe :filma efa nandeha io e…Mahafantatra tsara izany ny mpitondra ka raha te hanao zavatra matotra sady mahomby kokoa dia mila miova toe-tsaina sy fomba fiasa mihitsy. Mora kokoa ny miara-miasa rehefa mifampatoky sy mifanaja, fa raha mbola mampiesona vahoaka sy mampandry adrisa fa mba te hahazo vato amin’ny fifidianana fotsiny ny mpanao politika dia tsy hisy zava-banona eto na afaka 100 taona aza.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT