Edito

Asa fa tsy kabary !


  • Alarobia 30 Aogositra 2017

Tsy vahiny amin’ny fampanantenana mipoapoaka nataon’ny mpitondra teto ny vahoaka Malagasy, ary anisan’ny tompondakan’izany ity fanjakana HVM ity.


Tsy atao mahagaga intsony ny kabary fandangolangoana sy fampandrisa adrisa miharo fampanantenana poakaty. Niarahana nandre ny fampanantenan-dRajaonarimampianina fa telo volana no homeny, dia mivaha ny delestazy, saingy mandrak’androany mbola mitohy, ary vao tsy ela akory mponina teny Itaosy no nigrevy, saika isan’andro ny fitarainan’ny olona eny Anjanahary, vao omaly hariva no nitokona nandoro kodiarana mihitsy ny mponina teny Alasora… Tsy vaovao amin’ny sofina intsony ny tsy fandriam-pahalemana, ka saika isan’andro no hahenoana ny asan-jiolahy sy faty olona etsy sy eroa. Nilaza indray ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier fa hisy fiovana azo tsapain-tanana afaka 3 volana manoloana ny tsy fandriampahalemana.  Tsy ilay famahanan-dalitra no tena mahatezitra, fa ilay fiheverana ny valalabemandry ho dondrona sy kentrina, ka vokisana abobo andro aman’alina, fa izay asa mivaingana tsy misy. Raha ny fampanantenana sy ny fampandriana adrisa nataon’ity fitondrana ity no nampandroso efa lasa lavitra isika, saingy tsy adala ny Malagasy namorona ilay fomba fiteny hoe “asa fa tsy kabary”. Raha hikabary sy hampantena poakaty, dia mbola ilaina ny HVM, fa raha hiasa sy hampandroso, dia diso adiresy ny vahoaka, izay efa tena tofoka sy leo.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT