Edito

Asa fa tsy kabary


  • Alarobia 22 Jolay 2015

Hiverina maresaka indray ny fampielezan-kevitra amin’ity anio ity, io aloha no malaza izao ..samy manao izay vitany ireo kandida sy ny antokoa ary fikambanana manohana azy ireo

 


.Mbola misongadina ihany aloha hatreto ny Tiako I Madagasikara, tena mitety an’i Madagasikara mihitsy Atoa Ravalomanana Marc filoha nasionalin’ity antoko ity manao propagandy ireo ben’ny tanàna tohanany.Vahoaka maro be hatrany no mitsena azy sy mihaino ny lahateniy amin’ireo faritra alehany…Tsikaritra fa tena mbola tsy maty ao am-pon’ny olona ny zava-bitan’i Dada.Tonga saina daholo ny rehetra ankehitriny fa i Dada no tena nahatsangana foto-drafitrasa goavana teto ary raha te hivoatra sy handroso marina dia safidy tsara ny miaraka amin’ny antokony.Manana fandaharanasa ho an’ireo kaominina rehetra manerana ny nosy ny TIM fa tsy hoe hanao kabary be anaty propagandy fotsiny.Maro ny mpanao politika mahay miresaka, ao ireo mody milaza fa kandida mahaleotena kanefa miankin-doha ihany anefa, betsaka ny fampandriana adrisa rehefa propagandy.Asa fa tsy kabary ny antsika hoy i Dada sy Neny, mila asa i Madagasikara fa efa latsaka an-katerena loatra ary efa be loatra ny tatasika tsy nahitam-boka-tsoa teo e !

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT