Edito

Ary ahoana ireo ambiny ?


  • Zoma 20 Aogositra 2021

Iny nametra-pialana iny ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika Atoa Brice Randrianasolo, izay sambany teo amin’ny tantara tokoa


. Ny ofisialy dia hoe nametra-pialana, saingy azo heverina ihany koa ho natosika hametra-pialana. Vita aloha izany ny amin’iny olona iray iny, tapitra sahady ny tantara naha minisitra azy, nivalona ny pejy,… azy samirery sisa ny tohiny momba ny raharaha nahasaringotra azy tany. Lesona lehibe amin’ny politika ireny na ho an’ny tendrena na ho an’ireo izay nanendry ihany koa. Iny aloha izany izao no nizaka ny rihitra rehetra fa moa tena madio tsy misy pentina daholo ve ireo mpikamban’ny governemanta? Tena milamina ara-pitondran-tena daholo ve sa mbola misy manana dosie maloto kokoa noho ilay iraikalahy nametra-pialana? Sao mba misy ny hananana hena-maso ary misy kosa no tsy nananana henatra? Fahefana tanteraky ny Filoha ny manendry sy manala ka izay tiany hapetraka eo tokoa dia afaka hajanona eo na inona na inona mety ho fahadisoana sy laza ratsy. Rehefa tiana hailika dia azo atao ny mandaka azy hivoaka avy hatrany ny varavaran’ny governemanta. Tsy vao izao io no niseho, fa efa hita teto, toy ny tamin’ny adihevitra mikasika Minisitry ny fahasalamana talohan’ilay nosoloina teo. Olon-kafa voatonontonona tamina raharaha ahiana ho nisy kolikoly no notsarain’ny olona ho tokony hoesorina tamin’izany, saingy ilay iraikalahy notohanan’ny besinimaro indray no lasibatra. Asa hanao ahoana no ho tohin’ny fiaraha-monina ao anatin’ity governemanta vaovao ity, fa raha ny hita aloha dia toa misy mpamosavy malemy manao ranon’Ikopa tonga namana vao mavomavo ao, ka izay ahitana hirika mety tsy ho afa-bela. Ny mitafy hodi-tsokatra kosa tsy miontsona fa miala etsy izy, dia hapetrako eroa, milamina tsara hatrany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT