Edito

Aroso foana aloha ny vahaolana


  • Zoma 25 Martsa 2022

Isaky ny tsapa fa mbola misy azo atao hivoahana amin’izao olana lalina eto amin’ny firenena izao dia aroso foana aloha ny vahaolana na hihaino izany na, sanatria, hitohy tsy hihaino ny fitondram-panjakana heverina ho mahefa eto

 amin’ity firenena ity. Samy mandroso izany vahaolana izany indray amin’izao fotoana izao ny isan-tsehatra. Na mpandinika fiarahamonina io. Na mpahaitoekarena, eny, mpanohitra izao fitondrana mijoro izao. Amin’ny ankapobeny dia saika te hampitodika amin’ny fanetsehana ireo otrikarena na loharanon-karena ato anatin’ity firenena ity ny ankamaroan’izany vahaolana izany ary saika mahita ny maro fa fotoana natao hanararaotana izany izao. Ny resaka angovo azo avaozina, na harena an-kibon’ny tany, na famokarana ara-tsakafo, na fampitomboina ny fampidirana vola vahiny eto amin’ity firenena ity sy ny hafa marobe ary mahavelom-panantenana indray aza hoe mbola misy ihany kay ny jery lavitra azo atao ary tena maro lafy ny vahaolana ialana amin’ity fahantrana mangitsokitsoka ampiainana antsika mianakavy ity. Miandry anefa hatreto. Toa ny vahaolana efa tokony nampiharina tamin’ny 2 taona lasa no izao vao mody hampiharina tsy fidiny izany? Nalana ny ampahany bitika tamin’ireo tandapa tokony efa ela no nanongotana azy tamin’ny toerany. Etsy ankilany anefa dia toa atao mitety seza ao amin’ny governemanta ao ireo minisitra nifandimbindimby hatramin’izay nipetrahan’ity fitondrana ity teo. Lavin’ny mponina voakasika indray io tetikasa Tanamasoandro faharoa. Mijanona ho tetikasa moa izany izay hatreto satria mbola tsy mety tanteraka saingy tsy dia any loatra intsony angamba no tokony hipetrahan’ny adihevitra fa ny hoe tsy efa mazava ve izany izao fa tsy fotodrafitrasa mamirapiratra aloha no ilain’ity vahoaka Malagasy miha tafihan’ny hanohanana ity fa ny hamahany izay olan’ny kibony sy ny maha olona azy rehetra izay? Aroso foana aloha ny vahaolana.
\J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT