Edito

Ariana dia indray aloha !


  • Alatsinainy 19 Jona 2017

Ankatoky ny fety tokoa ary dia vao tany amin’ny fiandohan’izao volana jona izao no efa sesilany ny fanambaran’ny

manampahefana, tompon’andraikitry ny filaminana ary ny sasantsasany amin’ireo mpanao politika fa aleo samy hiatrika ny fetim-pirenena am-pilaminana sy am-pitoniana aloha. Izay minia manao hetsika an-kalamanjana ka mamofompofona fanakorontanana, hono, dia efa nahazo fampitandremana fa mety hosamborina. Ho zava-baovao ve ny vokatry ny fankalazana ny “fetim-pirenena” amin’ity ? Ny azo antoka aloha dia ariana amin’ny fampirevena izay efa nitaizana azy tamin’ny andron’ny tetezamita indray ny vahoaka a malaza manjaka eto amintsika amin’izao fotoana ny kolikoly sy ny kiantranoantrano ary ny gaboraraka rehetra. Mba tsy hifantoka ao an-tsaina rehefa difotra ao anaty revy ao fa hakarina 7,8% ny vidim-piainana raha 7,1% teo aloha kanefa ny harinkarena faobe 4,7% koa dia nidina 4,3%. Aleo hohadinoina kely aloha fa nisy mpandraharaha malaza tokony efa ho niditra teny Antanimora maherin’ny 2 volana lasa izao kanefa dia tsy fantatra mazava ny aminy ankehitriny. Tsy mbola hita  koa hatramin’izao ny marina mikasika ilay baomba nipoaka teo Mahamasina tamin’ny taon-dasa. Ariana dia indray aloha ny vahoaka e !

Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT