Edito

Areti-mandoza


  • Alatsinainy 18 Jolay 2011

30 taona izay no nisian’ny areti-mandoza tsy ahitam-panafany SIDA ary tsy mbola nahita izay fanafody tena mahasitrana azy na fanefitra hisorohana azy ny olombelona.

 Maro be ihany ny resaka amin’izy io, toy ny hoe otrikaretina noforonin’ireo firenena matanjaka mba hamelezana ny olona any amin’ny tany mahantra ilay izy, ka amin’izay tsy mety manan-karena ireo tany ireo no sady mihena ny isan’ny olona ao aminy. Ao ihany koa no milaza fa noforonina ny SIDA mba hahazoan’ireo orinasa sy fikambanana iraisam-pirenena goavana tombontsoa manokana amin’ireo kazarana fanafody sy fitaovana tsy maintsy ampiasaina mba hisorohana ny fihanahany tahaka ny fimailo na kapaoty sy ireo fanafody manakana ny fitaran’ity aretina ity ao amin’ny vatan’olombelona. Teto Madagasikara manokana dia mpitsabo sy manampahaizana telo hatramin’izao no nilaza fa nahita ny fanafody mahasitrana ny Sida, saingy ny nahagaga ny maro dia toa eto amintsika ihany no mahoraka sy malaza izy ireo fa tsy mba re any ivelany ary toa tsy misy mpanohana mazava amin’ny fomba ofisialy mihitsy fa honohono no nandrenesana ny fiaraha-miasany amina laboratoara any ivelany.

Nisy moa nanomboka omaly ny fivoriana goavana nandraisana firenena 190 anjara any Roma Italia momba reo fanafody vita mba hanakanana ny fihanaky ny Sida. Fa areti-mandoza tsy mbola nahitam-panafany ihany koa hatramin’izao ny krizy politika mikiky an’i Madagasikara. Efa tena maro be ireo milaza azy fa mpanelanelana, manampahaizana manokana momba ny politika sy ny fifandraisana iraisam-pirenena, ireo mpandinika fiarahamonina, ny mpanao politika no namoaka hevitra nivory tetsy sy teroa, saingy tsy misy ny vahaolana azo tsapain-tanana hatramin’izao. Roa taona sy tapany izay no dila hatramin’ny nandrodanana ny nambara fa fitondrana jadona mpampahory vahoaka, mibaribary anefa ankehitriny fa izao vao tena mijaly sy mitrongy vao homana ny Malagasy ary tena very fanahy mbola velona tanteraka.

Mampalaza ratsy antsika amin’izao fotoana maneran-tany ny resaka fanonganam-panjakana, olon’ny mafia ao anaty fitantanan-draharaham-panjakana, ny trafikana boaderôzy, ny fanondranana olona, ny fanondranana vato sarobidy sy harena ankibon’ny tany. Efa nisy ihany koa aza ny fanadihadiana nivoaka tany am-pitandranomasina fa eto Madagasikara no firenena anisan’ny be mpanapitrisa indrindra aty Afrika ary maro be amin’ireo olona ambony no manana kaonty amin’ny banky any ivelany. Areti-mandoza manimba ny firenena ny fitiavan-tenan’ny mpitondra amin’izao fotoana, izay lany andro mihodinkodina am-pitoerana sy mikiribiby hanohy ny lalana na dia efa fantatra izao aza fa hamarina any an-kady izany. Tsy misy mandà ny fanovana mihitsy eto fa mba hafahafa ihany kosa ny fanaovana azy fa tsy tahaka izao mitranga izao e ! Iza moa izao no hanome asa ny mpiasan’ny orinasa afaka haba voaroaka noho ny zava-nitranga tamin’ny 2009 ? Iza no hanome antoka fa ho ampy ny vola hividianana solika sy handoavana ny karaman’ny mpiasam-panjakana isam-bolana ? Raha tsy ampy izany ka misy manome vola, iza ireo, ary raha mitrosa indray dia tsy hampidi-kizo ny firenena ve ? Antenaina kosa anefa fa ho hita mialoha ny vaksinin’ny SIDA ny vaksinin’ny krizy eto amintsika ary mba samy hahazo izany avokoa ny rehetra fa tsy ho fehezin’olom-bitsy indray sanatria.

 

R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT