Edito

Arendrika lalina mihitsy


  • Alarobia 04 Janoary 2023

Fanodinkodinana saim-bahoaka na fandrendrehana saim-bahoaka, io moa ilay antsoin’ny vahiny hoe “diversion”. Trafika, dosie na koa hoe ampamoaka.

Tranga mamohahenatra na “scandale” ary isan’ny tafiditra ao anatin’izany koa moa ilay anglisisma hoe “buzz”. Izany no tena tsikaritra ho mba mameno ny politika nisy teto Madagasikara tao anatin’izay 5 taona latsaka izay ary ny mampalahelo ao anatin’izany rehetra izany dia toy ny politikam-panjakana mihitsy ilay izy. Ny serasera anaty tambazotran-tserasera toy ny Facebook sy ny Twitter no tena natao sy mbola atao mafotaka hatramin’izao. Mizara vary amin’ny lovia hatramin’ny filoham-pirenena dia alaina sary mirentirenty eny amin’ny tambazotra eny. Ambadik’izay rehetra izay moa dia misy ilay voambolana iray koa hoe “mandeha ny mandeha!”. Mandeha ny volamena miondrana an-tsokosoko sy mivadika vy. Mandeha ny fanenjehana mpampaneno lakolosy anaty tambazotran-tserasera fa ny minisitra sy praiminisitra niasa tao anatin’ilay birao nisy volamena nivadika vy tsy voahadihady mihitsy hatramin’izao. Nandeha ny aferana “ecran plat” sy ny “bonbon sucette” sy “paniers garnis” saingy tsy hita izay tohiny. Mandeha ny kakay mahazo ireo mpandraharaha malagasy. Mandeha ny fampahantrana lalina ilay vahoaka malagasy saingy ny mahagaga dia toa tsy misy mba mamaha araka ny tokony ho izy izany olam-bahoaka izany mihitsy hatramin’izao fa dia io fahantrana miha lalina mbola saika iaraha-miainan’ny isam-batan’olona eto Madagasikara ankoatran’ny mpitondra sy ireo akaiky azy io. Miandry fifohazan-tsaina faobe izany sisa na hiara-hanavotra na handrendrika lalina mihitsy ity tanindrazana lazaina lalandava fa iaraha-manana ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT